Fitsirihina mialoha ny lisi-pifidianana

Nahoana no mangina tsy miteny ireo antoko sasany ?


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Hita ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana manomboka eo amin’ny andininy faha 7

ny filazana hoe azon’ny rehetra jerena eny anivon’ny voamieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) amin’ny fotoana ilana azy my lisipifidianana. Noho izany indrindra no nahatonga ny kolekitifa an’ny Malagasy ahitana ny Tia Tanindrazana, ARB, MMM, MTS nanoratra taratasy fangatahana izay voarain’ny CENI ny 30 oktobra 2024 tamin’ny 2 ora sy 18 minitra. Manomboka ihany ity ny volana desambra, tsy mbola nisy valiny mazava io taratasy io.Etsy ankilan’izay raha hatramin’ny androany aloha dia tsy naharenesam-peo firy ireo antoko politika sy mpanao politika hafa,na mpanohana ny fitondrana io na ireo milaza azy ho mpanohitra ny amin’ny fitakiana ny hamoahana io lisi-pifidianana io. Avoaka atao inona moa ? Tsotra be ny valiny : mba ahafahana manamarina hoe iza avy no ao , ary mba tsy hiverenan’ny resaka « doublon » tahaka ny tamin’ny fifidianana 2018 . Maro be ihany koa ireo karatry ny mpifidy tsy tonga teny am-pelatanan’ny tompony tamin’ny fifidianana natao ny taona 2023 sy 2024 .Io no nahalatsaka ambany dia ambany ny sala-pahavitrihana. Raha tena hitaky ny mangarahara marina dia tokony miray feo ireo rehetra mpisehatra amin’ny fifidianana mitaky ny hamoahana io lisi-pifidianana io. Sa ve efa misy resaka fifandaminana indray any ambadika any ka tsy miasa saina firy intsony fa dia mifandamina amin’ny fizarana seza fotsiny rehefa avy eo ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT