Fitsipahana zom-pirenen-dRajoelina

Hiroso amin’ny dingana lalindalina ny MMM


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Tsy tokony hisy intsony ny “certificat de nationalité” na fanamarinana zom-pirenena malagasy ho avokan’ny fitsarana ho an’ny filoha Andry Rajoelina,

hoy ny teo anivon’ny antoko politika Malagasy Miara Miainga na MMM omaly, noho ny tsy fizakany intsony ny zom-pirenena malagasy. Nametraka taratasy fampahafantarana teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eny Anosy ny avy eo anivon’ity antoko ity momba ny fisian’ilay didim-panjakana izay milaza fa mizaka ny zom-pirenena frantsay ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ka tsy tokony hisitraka intsony ny “certificat de nationalité” malagasy. Fampahafantarana teny amin’ny fitsarana izay nataon’ny antoko ho fanairana ny sampam-pitsarana mba hampihatra araka ny tokony ho izy ny lalàna velona sy manankery. Isan’ny dingana ihany io omaly nataon’ny antoko io, raha ny fanazavana hatrany, fa mbola hiroso amin’ny dingana lalindalina kokoa izy ireo mahakasika ny fitsipahana ity mbola fanomezana zom-pirenena malagasy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT