Politique

Fitsinjaram-pahefana Tsy mandeha io raha tsy tsinjaraina ny vola, hoy ny MMM


  • Talata 11 Aprily 2023

Nitohy tany Antsohihy, ny faran'ny herinandro teo ny famelabelarana nataon'ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, notarihin'ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo.

Nambarany fa voalazan'ny lalàmpanorenana ny mpiasam-panjakana miasa ho amin'ny fampivoarana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Ilaina ny fametrahana izany, hoy izy, ary tokony atokisana ireo tomponandraiki-panjakana manomboka eny anivon'ny kaominina sy ny faritra hanampy ireo olom-boafidy. Tsy ijerena loko politika sy fiaviana izany saingy tokony ho niofana sy nianatra ary natao hanampy ireo olom-boafidy hanatanteraka ny vina. Tsy midika hoe omena fahefana fotsiny ny eny ifotony. Mila fandraisana andraikitra sy fahaiza-manao izany. Efa nametraka ny fototry ny fitsinjaram-pahefana ny MMM ny taona 2009. Napetrako fony aho minisitry ny fitsinjaram-pahefana ny Ivon-toeram-pirenena ho an'ny fampandrosoana ny eny ifotony na INDDL, hoy hatrany I Hajo Andrianainarivelo. Nampiofanana ireo ben'ny tanàna sy nizarana traikefa ho an'ny fampandrosoana izany, hoy izy. Tsy mandeha ny fitsinjaram-pahefana raha tsy omena vola sy ho enti-manana ary fahaiza-manao ahafahana manatanteraka izany. Miantso ny fanjakana ny MMM mba hanaja ny fahalalahana maneho hevitra na an-trano na ankalamanjana. Tsy atao resabe izany fa mila mamaky ny lalàmpanorenana napetrak'izao fitondrana izao isika. Arahana izany mba hipetrahan'ny fitoniana sy ny filaminana. Efa mahazatra ny MMM ny famelabelaran-kevitra anaty efitrano eny ifotony tahaka izao ary tsy misy ifandraisany amin'ny fepetra napetraky ny fanjakana izany, hoy hatrany ny MMM sady nampahatsiahy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT