Ny vondrona itsinjaram-pahefana dia mbola ambetin-dresaka eo anivon’ ny mpanara-baovao.
Tsy mijanona eo amin’ ny fametrahana lalàna araka ny tokony ho izy fa ny io fampitana fahaiza-manao (transfert de competences) sy fampitahana fahefana (transfert de pouvoir) no tena zava-dehibe. Ny zavatra voalazan’ ny lalàna dia tokony tanterahina. Hatramin’ izay, ny lalànantsika, nanomboka ny taona 1994-1995, dia efa tsara fa ny fanantanterahana azy no tsy nety. Ohatra, « subvention expectionnelle » sy « subvention spéciale » isaky ny kaominina. Maninona moa rahahampitoviana ny fampiharana azy fa ny Fanbjakana indray no mijery izay mety amin’ ny kaominina. Izy indray no misafidy fotodrafitrasa atao kanefa tokony atao mitovy tantanana. Tokony velarina kokoa io fampitahana fahaiza-manao sy fampitahana fahefana io ary toa izany ihany koa ny fampitahana ara-bola. Ireo voalaza ireo no mampandeha ny fitsinjaram-pahefana tena izy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.