Politique

Fitsinjaram-pahefana tena izy Efa safidy politika ka mila tanterahina


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Endrika iray hahazoana manatanteraka ny fanamby amin`ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny fiaraha-miasa amin`ny vondrombahoakam-paritra vahiny.

 

 Efa maro ireo atrikasa momba ny fitsinjaram-pahefana natrehin`i Madagasikara, toy ny tamin`ny volana  martsa sy oktobra 2017, niarahana tamin`ny governemanta frantsay. Tsy misy anefa ny vokatra azo tsapain-tanana. Andrasana fatratra ny fametrahana governoram-paritra izay andraikitra mivantan’ny tetikasam-pandrosoana hotanterahina isam-paritra. Ny fahafahan`ny faritra 22 misitraka ny fampandrosoana mendrika no tena fampihavanam-pirenena marina mba ho tanteraka amin`izay ilay fitsinjaram-pahefana tena izy. Ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto Madagasikara dia atao amin`ny sehatra maro. Betsaka ny faritra sy ny kaominina efa zatra miara-miasa amin`ny vondrombahoakam-paritra vahiny izay misandrahaka amin`ny sehatra maro toy ny rano madio fisotro, fambolena, lalankely… Ilaina koa ny fitsinjaram-pahefana eo amin`ny tetibola saingy tsy amin`izany ihany. Misy koa ny ara-toekarana toy ny fanorenana lalana, tohadrano, fahasalamana, fanabeazana… Efa tafiditra ao anatin`ny fitsinjaram-pahefana eo anivon`ny faritra sy ny kaominina avokoa ireny rehetra ireny. Efa safidy politikan`ny fitondrana Malagasy ny firosohana amin`ny rafitra fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara. Efa nisy hatramin`ny Repoblika I izany tena novoizina tamin`ny Repoblika II ary amin`izao fotoana izao, ezahina ny hanatanterahana azy amin`ny endriny rehetra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT