Politique

Fitsinjaram-pahefana tena izy Atao fitaovana politika fotsiny hatramin’izay


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Tsy zava-baovao eo amin’ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena ny fitsinjaram-pahefana, izay mifototra amin’ny fahaiza-mitantana ireo rafi-pitondrana misandrahaka isan-tokony avy.

 

 

 

Ny andrasana dia ny fampandrosoana eo amin’ny seha-pihariana isan-karazany sy ny fanomezana vahana ny fampiroboroboana ny toekarena izay miainga avy any ifotony mihitsy. Ny zava-misy eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana anefa dia tsy ampy fahaiza-manao mifanaraka amin’ny fampivoarana takin’ilay vondrom-paritra. Zara raha misy ny fidiram-bola miditra amin’ny kitapom-bolan’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, indrindra fa ny kaominina amin’ny ankapobeny. Tsy hita taratra loatra ny mangarahara eo amin’ny fitantanana, indrindra ny vola sy ny fitaovana. Tsy manana vina na tetikasa maharitra azo ianteherana ary matetika tetikasa miserana izay vao mainka manimba ny ezaka efa natao no hita, hany ka raha vao zara raha misy fampandrosoana entiny. Tsy maharaka ny asa ampiandraiketina aminy ireo sampandraharaha apetraky ny fitondrana foibe eny anivon’ny vondrom-paritra. Tsy mitondra amin’ny tena fampandrosoana ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefanam-paritra  ary indraindray aza dia ny olom-boafidy no mitavana azy ireny. Raha ny lojika, ny governemanta amin’ny alalan’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, dia tokony handray an-tanana ny fanapariahana ireo lalàna fehizoro miisa telo no mifehy ny fitsinjaram-pahefana ireo eny anivon’ny lafin- tany manerana ny nosy mba ahafahan’ireo antokon’olona samihafa hahalala sy hiaina io politikam- panjakana vaovao momba ny fampandrosoana ifotony io. Ny zava-misy  aloha dia tsy mbola voafehin’ny mpitondra isan’ambaratongany tsara ny tena fitsinjaram-pahefana, satria lasa fitaovana politika sy kabary tsara lahatra fotsiny izany ary matetika aza dia mibirioka amin’ny fomba fijery hafa mihitsy.

 

Lalàna fehizoro miisa telo no mifehy ny fitsinjaram-pahefana:

-Ny lalàna fehizoro lah. 2014 – 018 tamin’ny 12 septambra 2014  no mifehy ny tandrifim- pahefana, ny fombafomba fandaminana sy ny fomba fiasan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ary ny fitantanana ny raharahany manokana.

-Ny lalàna lah. 2014 – 020 tamin’ny 27 septambra 2014 mikasika ny loharanom-bolan’ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny fombafomba fanaovana ny fifidianana, ary koa ny fandaminana sy ny fomba fiasa ary ny anjara andraikitry ny rantsa-mangaika ao aminy.

-Ny lalàna lah. 2014 – 021 tamin’ny 12 septambra 2014 mikasika ny fisoloantenam-panjakana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT