Politique

Fitsinjaram-pahefana Ny rafitra ampiasaina mihitsy no manakorontana ny fokontany


  • Talata 30 Aogositra 2022

Miteraka disadisa sy adihevitra ny momba ny sefo fokontany tato ho ato izay.Misy mantsy ireo nosoloina, ka nahatonga ny fokonolona sasany nitokona sy nanohitra ny fanapahan-kevim-panjakana.

Miverina foana ny hoe : tsy mety aminay, tsy nofidianay io voatendry io sy ny hoe nahoana no mijabaka amin’ny fametrahana sefo fokontany ny depiote.
DISTRIKA – KAOMININA - FOKONTANY
Tsara ho marihana fa ny taona 2008 no nisy fifidianana sefo fookontany farany teto Madagasikara.Izany hoe nifidy mivantana ny fokonolona dia nanendry ny sefo distrika avy eo ; mbola manankery io fomba fiasa io hatramin’izao : manome anarana 3 avy amin’ny safidin’ny fokonolona ny avy eny amin’ny fokontany dia manendry ny iray amin’ireo ho sefo fokontany ny distrika.Mbola olana hafa no naterak’io sy mety mbola haterak’io raha toa ka tsy ilay nahazo ny vato be indrindra nitondra ny laharana voalohany tamin’ny fifidianana nataon’ny fokonolona ohatra no voatendry fa ny faharoa na ilay fahatelo mihitsy. Ny kaominina, izay tantanan’ny ben’ny tanàna no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fokontany, izany hoe mijery sy manara-maso ny zavamisy, manoro hevitra, mandamina.Manao tatitra any amin’ny lehiben’ny distrika avy eo ny ben’ny tanàna dia avy any no mandray fanapahan-kevitra.
LALAMPANORENANA
Efa saika hikitika lalampanorenana mba hahafahana manome fahefana kokoa ny fokontany sy ny fokonolona izay heverina fa vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana fototra ny fitondrana HVM saingy tsy tanteraka moa izany.Koa mandra-pisian’ny fikitihana ny lalampanorenana izany dia mijanona ho eo ambany fiahian’ny kaominina ny fokontany ary ny distrika no tompon’ny teny farany .Io rafitra sy fomba fiasa io no mety tsy azon’ny olona tsara ka mahatonga ny savorovoro , moa mazava ho azy tsy maintsy manana vina sy paikady politika ihany koa ny fanjakana mba hifehezany ny fokontany.Matetika ihany koa manompo ny nanendry azy fa tsy manompo vahoaka ny olom-boatendry.Izany rehetra izany mitambatra no lasa miteraka lonilony sy disadisam-piarahamonina ka mahasarotra ny fampipharana ny hoe fitsinjaram-pahefana tena izy , izay efa nampiana ny hoe fitsinjaram-pahefana miabo indray moa amin’izao fotoana. Ny voambolana dia mipoapoaka, fa ahoana ny asa fampandrosoana tena izy ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT