Politique

Fitsinjaram-pahefana mijanona ho kabary


  • Talata 18 Aprily 2023

Seha-pihariana maro no anaty fahasahiranana, hoy ny MMM

Tsy mampirisika ny mpandraharaha ampiasa vola eto ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika MMM. Iharan’ny antsojay samihafa ka miafaran’ny fikatonana ny orinasa eto an-toerana, hoy ny fanazavana. Isany ny orinasa «pêcherie du Menabe et du Melaky». Namorona asa ho an’olona maherin’ny 500 isa izany tamin’ny fotoan’androny ho an’olona manamorona an’i Morondava sy Maintirano. Nanapa-kevitra aho, hoy ny filohan’ity antoko ity, Hajo Andrianainarivelo, tamin’ny fotoan’androny, ben’ny tanana aho tamin’izany tany amin’ny misy anay hoe mandoa vola isaky ny kilaona makamba trandrahan’ny orinasa mivoaka anaty ozinina. Miheritreritra ny hampandroso ilay faritra izahay tamin’izay dia izahay indray no nisy nitory tany amin’ny tribonaly hoe miana-kendry fa inona koa no mbola andoavana an’izany nefa efa mandoa tamberim-bidy sy risitorina fa foano io? Dia iny hitanareo namidinay iny moa ny «pêcherie du Menabe et du Melaky» no niafarany. Iza nefa izao no matiantoka? Ny vahoaka ao amin’ilay faritra. Tsy ireo orinasa ireo ihany no efa nangoron’entana eto Madagasikara na teo aza izay finiavana hanao tamberin’andraikitra sy hampandroso kaominina izay. Ny hanao kolikoly no maha maika ny tomponandraiki-panjakana. Tsy misy ny fampiharana lalana. Mijanona ho kabary ambony latabatra ny fitsinjaram-pahefana. Tsy misy asa miforona noho ny tsy fisian’ny antoka sy fitoniana ho an’ny mpampiasa vola. Maro ny very asa ary tanora maro nahavita fianarana maro no mirenireny na manao asa tsy mifanaraka amin’ny fianarana norantoviny vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Vokany, manjaka ny tsy fandriampahalemana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Seha-pihariana maro no anaty fahasahiranana vokatry ny fihenan’ny fahefa-mividy. Ny fitsinjaram-pahefana ihany no ahafahana manome asa sy fampandrosoana, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT