Fitsinjaram-pahefana marina

«Antoky ny fampandrosoana ifotony»


  • Talata 04 Jona 2024

Fampandrosoana ifotony no tena ifantohana sy andraisana andraikitra amin’ny

maha ben’ny tanàna ny tena, hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’i Tanjombato sady filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna eto Madagasikara, Tovo Rakotojohary, nanohy ny fanazavana ny fomba fiasany tao anatin’izay fe-potoana naha ben’ny tanàna azy izay. Eo koa, hoy izy, ny resaka fampandrosoana sy fivoarana. Ny fivoarana moa resaka toe-tsaina izay an’ny vahoaka entin’ny tena fa ny fampandrosoana matetika resaka fotodrafitrasa. Tsy maintsy miaraka ireo. Eo ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny resaka PNDE. Izay no tsy maintsy hanohizana azy satria ny fahafaha-manantanteraka ny fitsinjaram-pahefana anatin’io PNDE io. Faha 3 taona isika izao. 10 taona no fametrahana an’ilay izy. Lojika raha tohizana ny asa natomboka dia hiady amin’izany fanomezana andraikitra ny vondrona itsinjaram-pahefana izany ny tenako. Ny fahatanterahan’ny fitsinjaram-pahefana marina no antoky ny fampandrosoana ifotony. Ny fanohizana izany dia mitaky tsy maintsy filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka eo, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT