Fitsikafonan’ny kolikolim-pifidianana

Nohamafisin’ny depiote Masy Goulamaly


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Mitsikafona hatrany ireo tetika maloto ara-pifidianana hoenti-mampandresy ny kandida Andry Rajoelina

izay heverina fa mbola manao lava tànana amin’ireo rafitra napetrany. Eo ny endrika fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fanambazana vola na zavatra etsy sy eroa izay endriky ny fividianana safidim-bahoaka,… fa mbola mandeha ihany koa ireo tetika hafa mitovitovy sy mifanindran-dàlana amin’izany. Tsy araka ilay firesahana tany aloha fa tsy mila manao propagandy intsony dia lany, fa tena manao izay tetika sy hevitra rehetra hahazoana fandresena, eny fa na tsy mankasitraka ny fifidianana amin’izao endriny izao sy tsy manao propagandy aza ny kandida hafa. Mipoitra ireo fanatsikafonana samihafa, ka ny depiote Masy Goulamaly indray no nanatsikafona omaly, fa misy ny fandikan-dalàna izay mibaaribary, izay sady miendrika fanararaotana ny fahantran’ny Malagasy. “Raha vao azo ny kara-pifidianana dia efa misy ireo manentana ny mba handehanana eny amin’ny “QG” na foiben-toerana. Tonga dia alaina sary, anontaniana ny mombamomba azy, na ny isan’ny zanany. Avy eo dia omena io taratasy kely lavalava io, ary ampanantenaina fa ity taratasy kely ity no entinao aty aminay vao lany eo ny kandida, ary omena tosika fameno ianao, na vatsy tsinjo”, hoy ny fanazavana nataon’ny depiote Masy Goulamaly, izay marihina fa isan’ireo nandrotsaka taratasy firotsahan-kofidiana ho Filoham-pirenena saingy nisintona izany noho ny fanapoizana ny tranga tahaka izao. Izy izay isan’ireo olom-boafidy ao anatin’ny Hetsika Fotsy iraisana amin’ireo kandida. Endrika manamafy ny kolikolim-pifidianana itony mitsikafona itony ka inona no hambaran’ireo rafitra mpikarakara sy mpitsara ny fifidianana? Mbola fifidianana madio sy milamina, ary eken’ny rehetra ve no handeha eo raha tazonina amin’izao? Miharihary ny tetika maloto samihafa hividianana ny safidim-bahoaka, ampian’ny fitongilanan’ny rafitra samihafa, izay manamafy hatrany fa fifidianana hitondra makany amin’ny korontana sy savorovoro ary tsy fahamarinan-toeran’ny firenena na anatiny na eo imason’ny sehatra iraisam-pirenena no hitranga eto raha hoentina amin’io amboletra io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT