Fitsidihan'i Macron an'i Madagasikara

Manenjana ny Fitondrana hilazana fa milamina eto…


  • Zoma 28 Febroary 2025

Nifampiresahana tamin’ny antso an-tariby teo amin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny

Malagasy sy ny Minisitra Frantsay misahana an’i Eoropa sy ny raharam-bahiny ny fanomanana ny fitsidihan’i Emmanuel Macron an’i Madagasikara. Nodinihina ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplaomatika sy fiaraha-miasa ara-toekarena. Andrasana hanatrika ny Fihaonamben’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) any Nosy Be amin’ny 24 aprily 2025 moa i Macron, izay mbola tsy teto Madagasikara hatramin’ny naha filoha Frantsay azy. Any Nosy Be ihany sa ho tonga eto Antananarivo i Macron? Heverina fa misy fifandraisany amin’io ny fanenjanana ara-politikan’ny Fanjakana Rajoelina mba hanehoana fa milamina aty Madagasikara. Efa notokanana ny fonjan’Avaradrano, nofoanana ny Maputo ho an’ny gadra politika sy manan-katao ao Antanimora,… Lohahevitra fototra amin’ny fihaonambe: Fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ireo firenena mpikambana amin’ny COI. Fihaonana ara-diplaomatika eo amin’ny firenena ao amin’ny ranomasimbe Indianina taorian'ny tany amin’ny nosy Comores tamin’ny Aogositra 2014. Hanamarika inona ny fitsidihan'i Macron eto? Ny 2019 izy tany amin'ny Nosy Glorieuse, nanao ilay fanambarana "ici c’est la France," ka nahatonga resabe, saingy tsy sahy nikofoka firy ny Fitondrana Rajoelina izay nampanantena fiverenan'ny nosintsika alohan'ny 26 jona 2020. Tsy misy antenaina aloha ny amin’ny Iles Éparses satria Rajoelina rahateo mizaka zom-pirenena Frantsay, ka tsy maintsy miaro ny tombotsoan’i Lafrantsa raha ny lalàmpanorenan’izy ireo. Ny resaka fanohanana ara-bola, tamin’ny 2020, Frantsa dia nampanantena fanohanana ara-bola 240 tapitrisa euro ho an’ny Plan Émergence Madagascar (PEM), saingy tsy hita loatra ny vokany. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena, nihena 9 % ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy Frantsa tamin’ny 2023, lasa 1 miliara euro, araka ny tatitry ny Direction générale du trésor Frantsay ny desambra 2024 teo. Nihena 2 % ny fanondranana entana avy any Frantsa (417 tapitrisa euro), ka nahitana izany indrindra ny vokatra lamba, fitaovana mekanika ary ny vokatra ara-tsakafo. Tahaka izany ihany koa ny fanafarana entana avy ary Madagasikara (599 tapitrisa euro), toy ny lamba, vokatra ara-tsakafo, fa indrindra noho ny fihenan’ny vidin’ny lavanila. Na izany aza, mbola mijanona ho mpanjifa faharoa lehibe indrindra an’i Madagasikara I Frantsa tamin’ny 2023 (13,3 % amin’ny fanondranana), aorian’i Japon (16,7 %, nikela sy kobalta). Mitana ny laharana fahaenina amin’ny famatsiana an’i Madagasikara i Frantsa, izay mampiseho fa miovaova ny fifandraisana ara-barotra. Mety hanamafy ny fifamatorana ara-politika sy ara-toekarena ve izao fitsidihan’i Macron izao, na ho setrin’ny fironan’ny Fitondrana Rajoelina amin’ny Rosianina sy ny firenena Arabo? Manana tombotsoa goavana samihafa arovana eto i Lafrantsa, ary ny ankamaroan’ireo orinasa sy Vondron’olona mifehy ny toekarena eto aza dia olony. Amin’ny lafiny ara-diplaomatika jeopolitika, hisy ve ny fanavaozana ny fifandraisana politika sy toekerana tena ho an’ny tombotsoam-pirenena sa hijanona amin’ny politika avo lenta sy tambitamby maivana ho fiarovana ny tombotsoan’i Lafrantsa?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT