Hiverina an-tanindrazana anio ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, rehefa avy nitarika delegasiona nandray anjara tamin’ny fivoriambe faha-66 ny Firenena Mikambana avy eo nandefa iraka tany Bruxelles, nitalaho tamin’ny Vaomiera Eoropeanina mba hamerina ny famatsiam-bolany, izay tapaka hatramin’ny 2009 noho ny fanonganam-panjakana nitranga teto.
Mikarakara fandraisana manokana azy ireo ny mpiandry tanàna, ary dia manatobaka vola tsy hita pesimpesenina tokoa, nanakarama olona isam-pokontany, hiantohana ny fitaterana sy ny solon-tsakafo ary ny fanamiana iraisana sy ny sorabaventy fihobiana, hanamasahana izany. Fiara 300 isa any no indray hetsehina anio hitaterana olona mankeny Ivato. Ahiana hisy fiantraikany amin’ny fitaterana eto an-drenivohitra izany satria taksibe ny ankamaroan’ireo. Nafotaka koa ny fitadiavana olona teny amin’ny Fokontany. 40 isam-pokontany no notadiavina, sandaina 5000Ar isan’olona eo amin’ny ankapobeny. Netsehina ny mpiasam-panjakana, tsy ferana koa ny foloalindahy.
Hampisalorana fanamiana mitovy ny avy eny amin’ny ministera, hanao rodobe koa ireo olom-boatendry avy amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary ny CENI. Inona no voan-dalana azon’i Andry Rajoelina hatolotra satria izy afaka nikabary teo anoloan’ny Firenena Mikambana ? Hatreto mantsy, tsy mbola nisy na firenena iray aza na mpamatsy vola nilaza fa hamerina ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara. Mbola samy miandry ny tena fampiharana ny sori-dalana voasonia iny ny rehetra. Ny zava-misy dia 12 andro aty aorian’ny nahavitana sonia ny sori-dalana isika izao, fa mbola any am-ponja ireo gadra politika, indrindra ny miaramila voakasiky ny raharaha BANI, FIGN ary toa tsy misy mpiresaka aza. Tsy mbola nisy sesitany politika tafody an-tanindrazana, mbola ny governemanta Vital no eo, tsy nisy nokitihina ny andrimpanjakana hafa toy ny Kongresy, Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny CENI … fa toa lany andro amin’ny fisehosehoana eto fotsiny !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.