Any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny baolina momba ny lalàna mifehy ny fifidianana hoe heken’izy ireo avy hatrany sa kosa hahitana làlana hiviliana handamindaminanana ny raharaha? Raha ny siosion-dresaka mantsy, dia amin’ity herinandro ity no hivohan’ny valiny; manana 15 andro handinihana ny lalàna sy hanomezana ny heviny ny HCC.
Maro no mihevitra, fa hiteraka gidragidra io, raha hankatoavin’ny HCC tsy misy fanamarihana. Efa io mibaribary io ny fanoherana lehibe ataon’ny depiote TIM, MAPAR, MMM ary ny tsy miankina. Isan’ny nanakiana mafy azy io ihany koa ny avy amin’ny GEN (Groupe des Experts Nationaux) hivondronana manam-pahaizana momba ny lalàna sy ny fifidianana, toa an-dry Arlette Ramaroson, Bruno Rakotoarison, ny firaiasamonim-pirenena,… Hihaino ve ny HCC sa hanao izay heveriny ho mety rehefa nandinika sy namakafaka? Raha dinihina amin’ny zava-misy sy savorovoro dia tsara kokoa ny famerenana azy any amin’ny governemanta mba hamerenana mihitsy ny fandrafetana azy. Tany amin’ny ambara fa fakan-kevitra mantsy dia efa misy ny ady hevitra goavana. Ny praiminisitra dia nanizingizina mafy fa nisy ny fakana ny hevitry ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena, ary ny olon-tsotra,… saingy io iaraha-mahita io ny tsy faneken’ny ankolafin-kery maro azy. Tany amin’ny fanoratana ny lalàna mihitsy izany no lesoka? Ny fotoana ihany koa anefa mandeha ihany satria nikatona tanteraka ny 15 aprily ny lisi-pifidianana, tapitra ny fivoriana tsy ara-potoana ka ny afaka tapa-bolana eo no hiroso amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity ny parlemanta roa tonta. 7 volana eo sisa dia tonga ny volana novambra tokony hanaovana ny fifidianana filoha. Ny CENI etsy andaniny milaza fa aorian’ny fankatoavan’ny HCC fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny lalam-pifidianana no hivoaka ny daty mazava.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.