Politique

Fitsarana avo 4 taona, tsy hita hoe ahoana !


  • Talata 04 Oktobra 2022

4 taona, tsy hita hoe ahoana! Izay no azo hamintinana ny antom-pisian’ny fitsarana avo na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “Haute cour de justice” teto Madagasikara.

Ity rafitra natsangana ny taona 2018 ity, raha tsiahivina, no nifanarahana ho afaka hitsara ireo olona ambony eto amin’ny firenena raha misy fiahiahiana azy ireo ho nanao ratsy na nahavanon-doza teto amin’ny firenena. Maromaro ihany izay dosie mikasika olona ambony, voafidy sy voatendry izay, saingy mbola tsy nisy heno hoe tafandalo tao aloha. Eo amin’ny afo fandiovana antsoina hoe antenimieram-pirenena no miverina any amin’ny faribolana ny baolina, hoy ny fanehoan-kevitry ny antoko politika Teza izay. Ity andrim-panjakana ity tsinona, raha tsiahivina, no natao handinika ireo dosie mikasika izay olona ambony izay aloha ka rehefa ireo no miteny hoe tsy mandeha HCJ izany intsony ity dia efa “bye bye Bresil”, hoy ny fomba filazan’ny mpamakafaka, Harifidy Ramanandraibe azy izay. Rahoviana ihany aza izany ity rafitra ity vao tena hanao ny asany? Tena ny rafitra natao hisahana ny fampihavanam-pirenena toy ny CFM tokoa ve no tokony ho ravana sa ny rafitra toy itony ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT