FITSARANA ANOSY

206 ny fangatahana « casier judiciaire » efa voarainy


  • Alatsinainy 09 Septambra 2024

Nahatratra 206 isa ny fangatahana casier judiciaire efa voarain’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy

hatramin’ny Sabotsy 07 Septambra lasa teo. Ho an’ireo kandida hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanana ny ankamaroan’izy ireo, antony tsy maintsy hisokafan’izy ireo ny andron’ny Sabotsy sy Alahady hanaovana fiandrasan-draharaha. Ao anatin’ny fanomanana ny antontan-taratasiny tanteraka mantsy ireo kandida Ben’ny tanana tsirairay avy amin’izao ka tafiditra ao anatin’ireny ny fakana ny certificat de nasionalite sy ny casier judiciaire eo anivon’ity Fitsarana ambaratonga voalohany ity. Misokatra manomboka amin’ny 08 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva izy ireo noho izany rehefa Sabotsy sy Alahady, raha araka ny fanazavan-dRakotoniaina Narindra, lehiben’ny TPI etsy Anosy. Tsiahivina moa fa efa nanomboka ny 05 Septambra lasa teo ka hatramin’ny 19 Septambra ho avy izao ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo kandida Ben’ny tanana rehetra manerana ny Nosy, eny anivon’ny OVEC tokony hanaterana izany tsirairay avy.
Pati
Legende : Misokatra hatrany ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Anosy na dia ny andron’ny Sabotsy sy Alahady aza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT