Politique

Fitsanganan'ny Governemanta Andrasana amin’ity herinandro ity


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011

Ny lisitra avy any amin'ny mpanohitra no hany sisa nandrasana dia tokony hijoro amin'izay ny governemanta Beriziky.

 Andrasana amin'ity anio ity ny fandraisan'ny praiminisitra eny amin'ny lapan'i Mahazoarivo ireo kandida minisitry ny mpanohitra, aorian’izay kosa dia manana roa andro ny filohan'ny FAT sy ny praiminisitra handinihana farany ny fomba handrafetana ny governemanta sy ny fizarana ny toerana isaky ny vondrona politika. Mbola ankamantatra ihany koa ny isan'ny minisitra ao anatin’ny ministera. Ho avy eto amintsika ihany koa ny iraka manokan'ny Troika-SADC ho vavolombelona amin'ny fananganana ity governemantan’ny firaisam-pirenena ity. Raha sanatria mbola misy ny fifanolanana dia ny SADC, araka ny voasoratra ao amin'ny sori-dalana no handamina izany. Ny voasoratra ao anatin'ny sori-dalana ihany no milaza fa tokony hitsangana ny 17 novambra ny governemanta farafahatarany, izany hoe amin'ny alakamisy ho avy izao. Koa raha tsy misy intsony ny olana goavana dia eritreretina fa ny alarobia na alakamisy hariva ho avy izao no hotanterahana ny lanonana ofisialy hampahafantarana ny firafitry ny governemantan'ny firaisam-pirenena sy ny anaran'ireo minisitra ao anatiny.

Raha ny fandinihana azy tsotsotra dia tsy tokony ho sarotra be intsony, araka ny ahiahin'ny maro, ny safidin'ny filohan'ny FAT sy ny praiminisitra satria fantatra fa miresaka isan'andro izy ireo ary samy mahalala tsara ireo kandida minisitra ireo sy ny vondrona politika nanolotra azy. Fiaraha-mitantana no atao ary tsy maintsy manana solontena anatin'ny governemanta avokoa ny vondrona politika rehetra, dingana faharoa taorian'ny fanendrena praiminisitra ity fanendrena ny minisitra ity ary azo itarafana sahady ny mety ho fizotry ny fifandaminana amin'ny fizarana toerana ao anatin'ny parlemanta vaovaon'ny tetezamita.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT