Fitrandrahana fiaraha-miasa amin'ny vahiny

Ezahina ampidirina foana ny zanak'i Andry Rajoelina


  • Zoma 02 Mey 2025

Velom-panontaniana amin'izao fotoana izao ireo mpanara-baovao mikasika ny

hoe inona marina moa izany no sata ofisialy na "titre officiel" an'ireo zanaky ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, mirahalahy dia i Ilontsoa sy Harena no tato ho ato dia lasa matetika tazana eny anivon'ireo fihaonana na fivoriana iraisampirenena handraisan'ny firenena malagasy anjara amin'ny alalan'ireo mpitondra azy, raha ny tokony ho izy? Tazana ny zandriny nandritry ny fihaonana an-tampon'ny COI farany teo. Hita indray ihany koa ny zokiny raha nanasonia fifanarahana tamin'ny firenen'i Émirats arabo mitambatra ny minisitry ny fizahantany ny faran'ny volana aprily teo. Ity lahimatoan'ny filoha ity moa dia tena saika hita matetika niaraka tamin'ny delegasionina malagasy nifampiraharaha tamin'io firenena io mihitsy. Nisy fotoana ny rainy mihitsy no niara-naka sary taminy tany an-toerana. Volam-panjakana ve no iantohana izany fivoahana izany? Hita ho ezahina ampidirina foana ny zanak'i Andry Rajoelina amina raharaha iraisampirenena tahaka itony tato ho ato ary raharaham-pirenena rahateo ihany koa moa ireny fifanakalozana diplaomatika ireny saingy mbola mampametra-panontaniana hatrany hoe inona ilay sata ofisialy sa ve efa mihevi-tena ho toy ny mpanjaka ny filoham-pirenena ka tsy mihambahamba manao izay tiany atao? Izany rehetra izany no manitikitika ny sain'ny mpanara-baovao amin'izao fotoana izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT