Politique

Fitorian’ny kandida maro Nodakan’ny HCC any an-tsisin-tosy indray


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC am-bavafo indray ny

fitoriana napetraky ny Vondron'ireo kandidà filoham-pirenena izay mitsipaka ny fomba nanomezana ny fahefana ny fiaraha-mitantan’ny governemanta. Ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra fa miala 60 andro mialohan’ny latsa-bato ny filoham-pirenena raha ho kandida, ka ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misolo azy mandray ny toerana maha Filoham-panjakana vonjimaika. Nambara fa tsy nandray izany Atoa Herimanana Razafimahefa, kanefa mbola mitazona ny toerana maha Filohan’ny antenimierandoholona azy. Tsy tokony tsy ho afaka hanohy ny maha filohana andrim-panjakana raha ny lojika. Ny andininy faha-52 ao amin'ny lalàmpanorenana no noraisin’ny HCC, ka nanomezana fahefana ny governemanta, saingy niteraka fanoherana marolafy, ary tratry ny fanasokajiana ho fanonganam-panjakana. Tsiahivina hatrany fa nilaza Atoa Herimanana Razafimahefa ny 17 may 2023 fa tena vonona tanteraka handray ny toerana maha filoham-panjakana vonjimaika. Naneho tamin’izany fa 5 taona ny taom-piasany, ary ny resaka fantatro, ao anatin’ny lalàmpanorenana, raha kandida ny Filoham-pirenena dia ny tenako no misolo azy, hoy izy, teo anatrehan’ny resaka samihafa toy ny mety ho fanonganana azy tao Anosikely. Ny 14 jolay dia mbola nanamafy ny tenany, fa izay no voalazan’ny lalàmpanorenana, ka nilazany fa tsy afenina fa efa mifantoka amin’izany. Raharaham-pirenena no jerena, ilaina ny filaminana, ka mila hajaina tahaka ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana, hoy izy tamin’izany, ka naneho fa nodinihina tamin’ny fanomanan-tena ny fiafandraisana amin’ny vahoaka, Vondrona Iraisam-pirenena, fiangonana, mpanohitra satria ilaina foana ny fifampiresahana,… hoy izy tamin’izany. Nigadona ny volana septambra, nitsimbadika ny rasa ka tena nandeha tamin’ny sitrapony sa nisy tsindry sy fandrahonana mety mihatra aman’aina? Sary efa niseho tany amin’ny raharaha 2009 rahateo ny endrika fanaovana takalon’aina mivantana na ankolaka fanerena olona amin’ny fitaovam-piadiana ka sao izay no nitranga tany amin’ny Lapam-panjakana? Tsy nisy fitorian’ireo kandida hafa noraisina hatramin’izay, niainga tany amin’ny fitoriana tsy handraisana ny firotsahan-dRajoelina, fitoriana fanafoanana ny taratasy mikasika ny zom-pirenena Malagasy, fitoriana momba ny fanapahan-kevitry ny HCC nanome fahefana ny governemanta,… Ireo kandida maro izay efa naneho ny ahiahiny amin’ny mety fisiana tsikombakomba eo amin’ny governemanta sy ny HCC ho manome tombondahiny kandida iray. Tsy efa fanombohan’izany ve io zava-misy izy? Raha handeha amin’io endriny io ny fifidianana dia hisy horaisina ve ny mety ho fitorian’ireo kandida ivelan’I Andry Rajoelina eo anatrehan’ny mety ho fisiana hosoka samihafa?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT