Fitorian’ireo kandida miisa 10 tsy misy tohiny

Ny “gros bras” malalaka amin’ny tiany hatao


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Avy hatrany ny ankamaroan’ny mpanara-baovao sy mpamakafaka raharaham-pirenena, nanoloana ny zava-niseho

teto Antananarivo renivohitra nandritry ny hetsika tarihin’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 10, dia namoaka tsoa-kevitra na ahiahy, raha ny marimarina kokoa, fa azo heverina ho efa niomana handratra sy hamotika fiaran'ny kandida tamin'ireny vy miendrika tongotr'akoho sy “billes” na kanety kely ireny ireo antsoina mahazatra hoe “gros bras” na be sandry hita teny amin’iny faritra Behoririka sy ny manodidina azy iny ny sabotsy teo. Azo tombanana ve izany fa efa tonga tany amin'ireo kandida mialoha izany “renseignements” na fampitam-baovao izany? Maninona tokoa moa ireo “gros bras” ireo no tsy misy ahiahy hatrany rehefa hidina eny an-kianja eny raha tsy efa natao hiara-hiasa akaiky amin’ireo heverina fa mpitandro filaminana sasany? Hita ho malalaka amin’izay tiany hatao ny “gros bras” matoa hatreto dia hita ho tsy misy tohiny ireo fitoriana nataon'ny kandida simba fananana. Ireo izay nosamborina teny Mahamasina aza moa navotsotra sady nomena akanjo, raha ny hita tamin’ireo horonantsary niparitaka hatrany. Rahoviana no hahazo porofo mivaingana ny olompirenena fa tena fitandroana ny filaminana, fiarovana ny vahoaka sy ny fananany tokoa no ataon’ireo izay antsoina amin’izany anarana izany, indrindra, amin’ny toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena toy izay mitranga ankehitriny? Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa ve sa natao hiaro ny mpitondra sy ny fananany?
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT