Fitoriana tamin’ny fifidianana depiote

Nanaitra ny fitsarana ady heloka bevava ny TIM


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2024

Amin’izao ankatoky ny fifidianana ho avy izao, nofohazin’ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny

Filoha nasionaliny Atoa Marc Ravalamanana fa mbola betsaka ireo vary mangatsiaka mikasika ny raharaham-pitoriana nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Teo ny fitoriana teny amin’ny HCC izay tsy nahazoana valiny mahafa-po, fa takian’ny TIM ihany koa ny handraisan’ny Fitsarana ady heloka ny fepetra haingana hitsarana sy hanasaziana ireo manam-pahefana, olom-boafidy, mpiasam-panjakana, sefom-pokontany, olon-tsotra izay nandray anjara tamin’ny fandikan-dalàna nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, raha ny nambaran’ny Filoha nasionalin’ny TIM. Fanontaniana mipetraka kosa na izany aza ny hoe : nahoana tokoa no nangina ilay Komity Miaro ny Safidim-bahoaka na KMSB taorian’ny valim-pifidianana ofisialin’ny HCC ? Ankoatra io, tsy nitsitsy i Marc Ravalomanana ny sabotsy teo nilaza fa betsaka ny fampanantenana tsy tanteraka sy lainga afafy, ka tsy misy antenaina amin’ny Fitondrana ankehitriny. Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitondra, ka na ny tenany aza tsy misitraka intsony ny zo voalazan’ny lalàna ka nesorina taminy ny mpiambina 12 ary tsy misy afatsy roa, hoy izy. Niantefa manokana tamin’ny Praiminisitra eo anatrehan’ny endrika hetraketraka i Marc Ravalomanana, ka nilaza fa tsy hijanona mandrakizay eo amin’io toerany io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT