Fitoriana eny amin’ny HCC

Voatsipaka hatrany ny mpanohitra…


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Isan’ireo dosie maromaro niandrasana fanapahan-kevitry ny HCC ny fitoriana nataon’ny kandida Andry Raobelina

sy ny Antoko ARB (Anjomara sy Rivo-Baovao) izay nangataka ny fanemorana ilay datim-pifidianana amin’ny 16 novambra. “Irrécevable” na tsy azo raisina ny fangatahana nataony. Raha hiverenana dia efa nanao fangatahana hanemorana ny fifidianana ny tenany noho ny ratra nahazo ny masony vokatr’ilay fitifirana teny Ambohidahy ka nahazoany tsy fahafaha-miasa 30 andro, izay tsy ahafahany miatrika ny raharaham-pifidianana tahaka ny fampielezan-kevitra. Raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana amin’ny andininy faha-47 tapany faha-4, dia antony lehibe tsy maintsy hanemorana ny fifidianana ny fahafatesan’ny kandida iray na koa fisiana trangan-javatra tsy azo hanoharana (cas de force majeure) dia mihemotra ny fifidianana, ary manolotra soso-kevitra daty vaovao.Nisy ny fitoriana taorian’ny fahavoazan’ny kandida Andry Raobelina, saingy tsy noraisina, fa nandray fanapahan-kevitra hanemotra herinandro ny fifidianana kosa ny HCC noho ny fahefana ananany. Voatery nandeha nitsabo tena atsy Maurice indray, ka namoaka ny mpitsabo tany fa tena tsy tomombana ny fahasalamana, tsy afaka mandeha fiaramanidina,… ka tsy afaka ny hiatrika ny raharaham-pifidianana izay nosokajian’ity kandida ity sy ny mpahay lalàna namolavola ny fitoriana sy fangatahana fa tena tafiditra ho “cas de force majeure” vaovao indray izany araka ny taratasy napetraka ny 23 oktobra, saingy notsipahan’ny HCC ambavafo hatrany. Raha raisina amin’ny sary mitranga, ny an’ny kandida maro an’isa efa safidy ny tsy hanao propagandy sy fitakiana fanemorana fifidianana mba tena hanadiovana izany, fa ny an’I Andry Raobelina izany tena tsy afa-miatrika, tsy afa-mandray anjara,… noho ny antony tsy azo hanoharana, saingy nosokajiana ho tsy misy dikany na voahitsakitsaka aza ny zo maha kandida azy. Hatreto aloha izany, mbola tsy nisy fitoriana nataon’ireo kandida ka tena nahazo rariny teo anivon’ny HCC, raha tsy hampahatsiahy afatsy ny fitoriana mitaky ny fanintsanana an’I Andry Rajoelina, fanafoanana ny taratasy milaza ny mbola fizakany zom-pirenena Malagasy,… Karazan’ny efa tandindon’ny ho avy raha handeha amin’io endriny ion y fifidianana ka mbola ity HCC ity no hitsara azy!?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT