Fitoriana ara-pifidianana teto Antananarivo

Nangataka fanintsanana an’i Harilala R. ny Tia Tanindrazana


  • Talata 14 Janoary 2025

Nandeha fampanoavana teo anivon’ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) omaly ny raharaha

mikasika ny fifidianana teto Antananarivo Renivohitra izay nahatratra 8 tamin’ny 39 nanerana ny faritanin’Antananarivo. Ho an’ny antoko Tia Tanindrazana izay nanolotra ny kandida Tahina Razafinjoelina, fitoriana lehibe dia ny fanintsanana na « disqualification » ho kandida Harilala Ramanantsoa izay nilaza fa kandidam-panjakana sy tompon’ny tanàna no natao noho ny fahitana endrika tsy fanarahan-dalàna samihafa. « Tsy niafina tamin’ny rehetra ny kandida vehivavy izay nirotsaka teto Antananarivo nanao fanambarana ampahipemaso, nanonona ny olona ao amin’ny fitondrana, nanonona zavatra tsy tokony hotononina izay efa hitantsika rehetra. Efa lasa any amin’ny Fitsarana ary misy porofo ara-dalàna. Nangataka fanintsanana na « disqualification » izay misy porofo maro, fangatahana fanafoanana voka-pifidianana amin’ny toerana sasantsasany ho an’ny kandida izay efa any amin’ny Fitsarana », hoy ny mpisolovava Randriamamonjy Saholy. Andaniny, tsy maintsy mitady ny fiarovan-tenany ny andaniny, ka raha nandeha ny fitsarana voalohany ho an’ny kandida hafa dia efa fantampatatra hoe : ohatr’izany ihany daholo ihany ny mety hanaraka eo, ary efa tena niomana mikasika izay ny antoko Tia Tanindrazana, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpisolovava. Nisolo tena ny antoko izay nitory ny Sekretera Jeneralin’ny Tanindrazana. Nandeha ny adihevitra, saingy ny nahagaga dia tsy nahazo ny « mémoire en défense » avy amin’ny andaniny izay voarakitry ny lalàna 2001-025 mikasika ny TAF ny mpitory, raha ny fanazavan’ny mpisolovava Randriamamonjy Saholyhatrany. Nambarany fa tsy nankatoavina tao anatin’ny fotoam-pitsarana nandritra ny fanaovana ny dosie izany. Voafaritry ny lalàna anefa fa mila mahazo fampahafantarana na « notification » ny mpitory. Rehefa nitohy ny fitsarana dia nolazaina ny zavatra tsy nety rehetra, ary nohamafisina fa ho an’ny tombotsoam-bahoaka sy tombotsoan’ny Firenena ny nitondrana ny zavatra tsy nety teo anatrehan’ny Fitsarana. Nomarihiny fa tsy fanakianana fa fitarainana sy filazana ny zavatra tsy nety hanarenana ny amin’ny manaraka. Notsipihin’io mpisolovava io rahateo fa tsy mitady ny ho lany na tsy lany, fa mitady ny ara-drariny. Nentina mba hijeren’ny fitsarana ny rariny sy hintsiny. Nandà ny zavatra rehetra moa ny fampanoavana, ny porofo rehetra nolazaina fa tsy misy azo raisina. Nitaky ny fampanoavana izahay, fa ny fitsarana mbola handinika, ka tsy afaka hiteny isika hoe : resy na mandresy na efa niteny an’izay aza izy, fa eo aminy ny fahefana ary antenaina fa hahaleo tena izy, ka any amin’ny voka-pifidianana no tena ahitana ny nandraisany azy, hoy io mpisolovava io. Rahampitso 15 janoary 2015 moa no hivoaka ny didy mikasika ny fitoriana.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT