Fitorian’i Dr Robinson

> Efa eny amin’ny CENI-T sy CES


  • Zoma 27 Desambra 2013


Ny andron’ny 23 desambra nanambaran’i Dr Robinson Jean Louis ho ren-tany ren-danitra fa feno hosoka sy nanjakan’ny hala-bato ary koa familiviliana ny safidim-bahoaka iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy solombavam-bahoaka notanterahina miaraka tamin’ny 20 desambra teo iny, dia efa tafapetraka eny amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI-T) sy ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES) ny fitoriany, tamin’ny alalan’ny mpisolovava Andriamadison Hasina, mitaky ny hanehoana mba hanamarinana ireo bileta tokana rehetra tsy nampiasaina tamin’iny androm-pifidianana iny ; mitaky ihany koa ny hampitahana ny laharan’ireo bileta tokana narotsaky ny mpifidy tao anaty vata fandatsaham-bato amin’ny laharana amin’ny sosona tavela amin’ny karne nisy ireo bileta tokana ireo. Hatrehin’ny solontenan’ny kandida Dr Robinson Jean Louis ny fanatanterahana ireo, hirosoana amin’ny fanisana ny tena vato manan-kery hialana amin’ny ahiahy. Milaza moa ny CENI-T tsy misy andinin-dalàna manome fahefana ny kandida ho amin’izany. Andrasana araka izany izay ho ambaran’ny CES mikasika io fitoriana io. Fampahafantarana ny besinimaro no nataon’ity farany omaly 26 desambra 2013 fa tsy misy fiatoana ny fandraisany ireo antontan-taratasy momba ny fifidianana filohan’ny Repoblika (fihodinana faharoa) sy solombavambahoaka avy any amin’ireo SRMV, ao amin’ny foiben-toerany ao Ambohidahy. Ny fitoriana mikasika ireo fifidianana roa ireo kosa, dia raisina manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva, hatramin’ny 31 desambra 2013.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT