Politique

Fitoniana politika marefo Mifampiresaha ianareo Malagasy, hoy ny SADC


  • Zoma 06 Aprily 2018

Eto Madagasikara amin’izao fotoana ny delegasionin’ny vondrona SADC tarihan’Atoa Manuel Domingos Augusto, minisitry ny raharaha ivelany avy any Angola. Manao tomban’ezaky ny toe-draharaha politika eto an-toerana sy ny fiomanana amin’ny fifidianana izy ireo.

 

 Nisy ny fihaonana tamin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha ary teo ihany koa ny dinika nifanaovana tamin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier teny Mahazoarivo. Vonona hatrany ny SADC hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanatsarana ny toe-draharaha politika sy ny fanafainganana ny fiverenana amin’ny ara-dalàna amin’ny fiainana ara-politika, hoy i Manuel Domingos Augusto, mitarika ny delegasionina sady filohan’ny sampana momba ny fiaraha-miasa ara-politika, ny fiarovana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny SADC. Manindry mafy ny amin’ny fanohizana ny fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy ny SADC, fifampiresahana handraisan’ny ankolafy rehetra anjara ary tsy misy fanilikilihana. Tsy maintsy mandroso ny firenena Malagasy, hoy i Manuel Domingos Augusto. Tetsy an-kilan’izay, nanamarika ny praiminisitra fa efa vokatry ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra ny lalàm-pifidianana vao avy nolanian’ny antenimieram-pirenena farany teo ary natsofoka ao ny 70%-n’ny fanitsiana nivoaka avy amin’ny asam-baomiera, hoy izy ka tanjona ny fanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity. Niaiky ihany koa i Solonandrasana Mahafaly fa mbola marefo ny fitoniana ara-politika eto Madagasikara amin’izao fotoana ka izay no niantsoany  ny fanampiana sy fanohanan’ny SADC. Tompon’andraikitra momba ny politika sy ny fandriampahalemana no mandrafitra ity delegasionin’ny SADC mitsidika an’i Madagasikara ity, izay azo adika avy hatrany fa manana ahiahy ny amin’ny mety hisian’ny savorovoro ry zareo koa efa manentana ny ankolafy tsirairay avy mba hifampiresaka ho fisorohana ny krizy mety hitranga indray.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT