Malaza sy hiadiana, saika maneran-tany ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mihazakazaka amin’izany ny eto Madagasikara. Efa hita ny fidirana an-tsehatry ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika na mbola somary vitsy ihany aza.
Nisongadina izy ireo tamin’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity, saingy nisy no toa nanetry ny haja amam-boninahitry ny vehivavy. Tsy sanatria hanenjehana na hanaratsiana olona fa toa zava-dratsy sy miiba no tonga ao an-tsain’ny maro vao maheno ny anaran’i Voahangy Rajaonarimampianina, Claudine Razaimamonjy, Roberthine Rabetafika … Raha vao miresaka vadin’ny filoha, dia toa tonga ao an-tsain’ny maro ny fiheverana fa tsy refesi-mandidy, mpitsabaka amin’ny raharaham-pirenena, toy ny fanendrena tompon’andraikitra ambony. Tsy mila atoro amin’ny rehetra intsony ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay vehivavin’ny taona 2016 tamin’ny resaka kolikoly. Ny raharaha volabe 3 tapitrisa Euros sarona tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Roissy tany Frantsa ny volana desambra 2015, dia mbola vehivavy tao an-dapa, Nicole Randrianarison. Nisy ihany koa ny fakana ireo mpanao fakana an-keriny tany amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy Toamasina, taona vitsy lasa izay. Tsy andraikitry ny mpanolotsain’ny filoha mihitsy no maka gadra ao am-ponja miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana, saingy niseho izany. Nalaza ihany koa ny raharaha Houcine Arfa, izay nisian’ny ampamoaka nahenoana ny anaran’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine ho nandray kolikoly 70 000 Euros, izay tsy fantatra intsony ny marina sy diso, hany ka karazan’ny niniana navalona ny raharaha. Nahazo kiana mafy ihany koa ny minisitry vola sy ny tetibola Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona tamin’ny filazana fa tsy nisy ny fahadisoana arak’asa goavana tamin’ny raharaha sora-bola momba ny tsenan’asam-panjakana nidangana be. Vao tsy ela akory izay ny raharaha sary sy horonantsary tsy mendrika an’ny depiote voafidy tany Isandra Roberthine Rabetafika, izay tsy nisy akory ny fialan-tsiny tamin’ny vahoaka fa ny rahom-bava indray no nifatrapatratra. Nametraka ny anarany tamin’izao fitondrana izao ireo andriambavilanitra ireo, saingy indrisy fa tsy nanatsara endrika fa kosa naha ratsy lava ny fitondran’ny HVM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.