Fitondrana volomboasary

Manao serasera mafy hoe : atokisan’ny banky iraisam-pirenena…


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Eo anilan'i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana

ireo tetikasa ho an'ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny Mpitondra. Nambara fa nataon'ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena misahana ny faritra atsinanana sy atsimon’i Afrika, Victoria KWAKWA, laharam-pahamehana ny fihaonana manokana tamin'ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Nanantitra ny fahatokisana ny haitarika ananan'ny Filoham-pirenena sy ny vinany ho an'ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena ka hiroborobo araka izany ny fiaraha-miasa hiarahana amin'izy ireo, hoy hatrany ny Fiadidian’ny Repoblika. Nambara mihitsy aza fa mitentina hatramin’ny 4 lavitrisa dolara ny fanohanan'ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara eo amin’ny sehatra maro toy ny angovo, ny fotodrafitrasa, fampianarana, ny fananan-tany,... Na izany aza, tsapa ho ny serasera aloha izao no betsaka. Nahoana no tsy mirotsaka hatramin’izao ny 100 tapitrisa dolaran’ny Banky Iraisam-pirenena tafiditra ao anatin’ilay hoe : tohana noho ny tsy fahampiam-bola na «Appui budgétaire » ? Misy ifandraisany amin’ny nahazoana an’io marina ve no nanaovana ny karama farany ambany ho 238 000Ar fa tsy 250 000Ar noho ny tsy fandoavan’ny Fanjakana ny 12000Ar mba ho fanentsenana an’azy tsy zakan’ny mpampiasa ? Marina fa mety misy ny fanohanana mandeha toy ny lafiny mahaolona fa tena milamina araka ny serasera ve ny fahatokisana sy fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra sa mangatsiatsiaka ka mitady hirika any amin’ireo izay tsy dia be fepetra toy ny arabo sy ny sinoa?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT