Fitondrana volomboasary

Famitaham-bahoaka no betsaka !


  • Zoma 04 Jolay 2025

Na inona na inona fanazavana omena eo, ny tsy azo lavina dia misy olana ny resaka solika

eto Madagasikara. Inona moa no antony hisiana fifampiraharahana eo amin’ireo mpitatitra solika sy ny toerana fanatobiana solika (Logistique pétrolière) ? Misy olana ao, na io olana amin’ny fomba fiasa na olana amin’ny fomba fitantanana na olana ara-bola, fa tsy hoe simba ireo « camion » aloha. Tsy mifanalavitra amin’io ny momba ny Jirama. Alefa ny sarintsarina vahaolana sy serasera mipoapoaka fa ny zava-misy dia tsy ampy ihany ny angovo vokatra ka io no mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra isan’andro manerana ny nosy. Mbola eo ny fahapoizinana ara-tsakafo lasa mitety faritra, sakafo anaty fety aman-danonana, na tsakitsaky eny rehetra eny tokony hamelombelon’aina no lasa mamono olona. Amin’ireo tranga rehetra ireo dia ny vahoaka ihany no mizaka ny vokany, ireo mpiresaka ambony latabatra, mifanaraka ihany rehefa ela ny ela fa ny olona, ny vahoaka no fanina sy mitaintain-dava. Na ny olon-tsotra, na ny orinasa dia tena mandalo fahasahiranana amin’izao fotoana, na ireo orinasa goavana aza dia manomboka mametraka paikadim-pitsitsiana satria hono, tsy hay tsy hay mihitsy izay mety hitranga indray rahampitso sy rafakampitso. Tsy mbola hita soritra mihitsy aloha hatreto ilay hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso, sahirana ny isan-tokantrano ary miha mahantra ny malagasy, tsy hita soritra ny fivoaran’ny ho avy fa toa miha milentika sy mioty loza sy fahasahiranana hatrany. Ny politikam-pitantanana mivoaka miditra ohatran’ny lelon-jaza ka raha nolazaina tamin’ny 2018 fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza ny fianteherana an’ireo mpamatsy vola mahazatra, dia izao ny FMI na Tahirimbola iraisam-pirenena mihitsy no ialokalofana fa hoe miara-miombon’antoka amintsika amin’ilay fakana TVA 20% amin’ny zana-bolan’ny banky izay mambotry ny mpandraharaha, ialokalofana amin’ny hoe : fepetra ahazoana ny famatsiam-bolan’ny FEC io,… Ny mpitondra sy ireo mpanohana azy jamban’ny fitiavam-boninahitra sy ny tombotsoa ihany no mahita fa mety ny zava-misy eto ; sy mamerimberina fa hoe efa mitady vahaolana na ilay fiteny malaza hoe efa mandeha ny fanadihadiana. Aiza izao ireo train urbain, teleferika nandaniana vola an-jatony tapitrisa dolara…izao tonga indray ny Bus elektrika, efa mandeha ve, zotra mankaiza, ohatrinona ny saran-dalana ? Moa va tsy tahaka ilay IEM ihany ity resaka ity, nalaza be tamin’ny propagandy 2018 sy ny taona 2019. Tsy hita popoka intsony avy eo. Izao tsy fantatra mazava hoe fa inona marina moa izany no tena fandaharanasan’ny fitondrana Rajoelina ? Tsisy resaka intsony ny hoe IEM sy velirano. Hatramin’ny rahoviana no hamita-bahoaka ? Dia tsy mba mahalala menatra mihitsy ve sa efa tena very fanahy marina ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT