Politique

Fitondrana volomboasary Efa tsy mahomby, mbola mamboly olana ihany


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Tafalentika tanteraka ao anaty olana politika ny fitondrana Rajoelina, ary sarotra ny toerana misy azy. Mitombo ny krizy anatin’ ny volomboasary,

kanefa ny olana ara-toekarena sy ara-tsosialy miha mangotra. Ilay fitondrana mihitsy anefa no toa mandrehitra afo raha tarafina amin’ny fomba fiasa. Nirehitra ny afo tamin’ny raharaha « naturalisation » na ilay fizakan’ny Filoha zom-pirenena Frantsay, saingy vao mainka nampirehitra ny afo ny fidirana an-tsehatr’ireo olon’ny fitondrana nifanipaka toy ny atsimo sy avaratra ny zavatra nolazaina. Endrika maneho ireny, fa efa mikorontana sy mora korontanina ilay Fanjakana, hany ka toa midona amin’ny rindrina matetika. Nirefotra indray ihany koa iny ny raharaha Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny CNaPS izay nalefa any am-ponja, saingy io nivadika ho grevy sy krizy io satria mijoro miaro ilay tompon’andraikitra ambony ny mpiasa, ary miapanga ireo nandetika azy ho mpanao tantely afa-drakotra ity tahirim-pirenena ity. Ahiana hiitatra any amin’ireo Malagasy an’aliny ny fahatezerana satria ny volany hianteherany amin’ny fahanterana no tandindonin-doza mba tsy hilazana fa efa fongana ny ankabeazany. Ara-politika, raha kajikajy hamelezana ireo heverina fa namana nisintaka noho ny tsy faharesen-dahatra sy fahatongavan-tsaina fa tsy ao amin’ny volomboasary intsony no làlana, dia nandrehitra afo ny fitondrana nanongana ireo filoha lefitry ny antenimieram-pirenena roaloahy sy ny kestora fahatelo. Sady afa-baraka no notsarain’ny karatra satria nitsefotra, niharihary ny tsy fananana fahamarinan-toerana intsony, izay heverina fa fanombohan’ny tsy fahombiazan’ny kajikajy politika heverina fa mbola hatao, indrindra mialoha izao fifidianana izao. Nandrehitra afo, nanamafy ny fananganam-pahavalo,… ary mety ho main’ny afo natsangana aoriana satria namono biby tsy nahafaty. Ny tsy fisian’ny fifanatrehana teo amin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka moa, dia efa taratry ny krizy sy fikatsoan’ny raharaham-pirenena. Toa niniana natsefotra satria mety tsy vonona sy tsy niomana ny mpanatanteraka saingy izay ve no heverina fa paikady mety sy mahomby indrindra hoenti-manarona ny tsy fahombiazana. Ireo raharaha mahakasika mivantana ny fiainam-bahoaka toy io CNaPS io, ny Jirama, ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana,… moa izany dia efa tsy hita intsony izay tena fifehezana azy, ka mitombo ny fahasosoram-bahoaka. Mizotra makany amin’ny faharendrehana ny fitondrana volomboasary ary fahagagana sisa no mety ahafahany mijanona eo ao anatin’ny dimy taona manaraka !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT