Vao misy zavatra kely dia miampanga mpanohitra ireo manampahefana ao anatin’izao
fitondrana Rajoelina izao. Lazaina fa nanararaotra ny fanapoizinana ara-tsakafo ny mpanohitra, avy eo resahana indray fa hoe mamadika ny vaovao momba ireo fiaramanidina tratra tany Iran ny mpanohitra, tany amin’ny volana jona dia nambara indray fa hoe manentana ny olona tsy hanangan-tsaina ny mpanohitra. Mifanesisesy miteny sy maneho hevitra ireo mpanao politika sy manampahefana miaradia amin’ny fitondrana fa hoe ataon’ny mpanohitra fitaovana politika hanakorontanana ny raharaham-pirenena.
MIALA BALA
Etsy ankilan’izay anefadia lazaina fa malemy sy tsy mahavita azy ny mpanohitra. Ka malemy ve dia inona no antony atahorana azy ary ? Rehefa tena dinihina ny zava-misy dia faran’izay mailaka amin’ny fanilihina ny rihitra any amin’ny hafa ity fitondrana Rajoelina ity. Tsy manaiky ho diso izany, tsy mba mandinin-tena, tsy mihaino fa ny hafa mandrakariva aminy no manao ny tsy mety. Ahilika any amin’ny mpanohitra ny vokadratsin’ny tsy fahaiza-mitantana, ny mpanohitra anie ka tsy mananampahefana fa manaraka akaiky kosa ny raharaham-pirenena dia milaza ny heviny sy manaitra ny amin’ny tsy mety. Raha ny taona 2009 no mankaty izay, angamba tsy mbola nisy izany hoe iny fa nanandrana nanongam-panjakana ny mpanohitra, ny fanehoan-kevitra dia misy, ankavitsiana ny atao hoe fidinana an-dalambe ; maro ireo nosamborina sy nogadraina fa soketaina hoe manohintohina ny filaminana anatiny. Fahefana goavana tsy mitapoka no eo am-pelatanan’ny fitondrana « orange », fa ny tsy fahaizana mitantana , tsy fahaizana mandrindra ny laharampahamehana, ny tsy fananana vina sy paikady mazava hampandrosoana ny firenena no mahatonga ny krizy miantraika isan-tokantrano io. Tsy ny olona tsy manana fahefana no ampangaina hoe sakana amin’ny fampandrosoana, ireo manampahefana sy miasa ao amin’ny fitondrana no tsy manao araka ny tokony ho izy ny asany ka mahatonga ny krizy miha mafy.
RTT
(Sary fanehoana)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.