Fitondrana tsy mahavaha olana

« Fa ny fampiesonana vahoaka no lehibe indrindra »


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

alarobia ny fiadidiana ny repoblika tarihin’ny Filoham-pirenena sy ny governemanta tarihin’ny praiminisitra. Mifanandry amin’ilay 100 andro voalohany nitantanana izany. Rehefa jerena moa ireo horonantsary famintinana ny asa isaky ny minisitera dia tahaka ireny hoe mety dia ety ireny,vita ny asa, tratra ny tanjona, nilamina ny zava-drehetra, voahaja ny toromarika.Tsara tantana ny firenena, voafehy ny fandriampahalemana, tsy misy misavorovoro sy mikorontana. Rehefa miverina mijery ny tena zava-misy marina anefa dia sahirana ara-pivelomana ny 90% n’ny Malagasy 30 tapitrisa. Ny tsy an’asa na manao asa an-tselika etsy sy eroa tena hoe mitrongy vao homana.Ny manana anton’asa, vao misasaka ny volana dia ritra ny karama ka sasatry ny midi-trosa. Maro ny herisetra any anaty fiarahamonina, fanendahana, fandratrana, fifampikasihan-tanana. Ady vehivavy no mahatonga tovolahy 2 hifamango ary dia voafira famaky teo amin’ny lohany avy hatrany iray.Marary ny fiarahamonina. Tsy hita izay vahaolana mahomby hitsaboana azy. Etsy ankilan’izay , kianja Barea nolazaina fa nandaniana vola be 77 tapitrisa dolarana 331 miliara ariary mahery, hay tsy manarapenitra akory, tsy lany match, tsy mahafeno fepetra handray lalao iraisam-pirenena, voatery hindrana kianja any a mina firenen-kafa ny Barea. Fahafaham-baraka tsy misy mihoatra an’izany intsony. Ilay hoe autoroute , Antananarivo Toamasina tena tsy hita popoka, ny fitakiana ny iles eparses moa tahaka ny efa hoe anganon’i Trimobe sy Farakely sisa. Ilay hifantoka bebe kokoa amin’ny sosialim-bahoaka, toa nandalo dia niserana. Fehiny miha mitombina hatrany ilay resaky ny olona hoe fitondrana werawera io, maika amin’ny seho ivelany, zavatra tsy misy fototra mazava no iaingana, tsy mahalala izay tena marary ny vahoaka. Ny resaka fitantanana moa efa samy mahita na ny eto an-toerana na ny any ivelany fa tena tsy izy, mampiahiahy, tsy hay mihitsy ny mametraka ny tena laharampahamehana. Tondro vitsivitsy hanaporofoana ny fisian’ny fahantrana lalina eto ny fitomboan’ireo mpivarotra amoron-dalana, ny olona mivaro-pananana, ny mpisoloky, ny mpangataka etsy sy eroa..io anefa dia mampitombo ny kolikoly ary mandoto sy manakorontana ny endriky ny tanana. Vahaolana mba hita andao hanao teleferika. Tena mampiesona vahoaka.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT