Politique

Fitondrana TGV Mihisatra ny fampanantenana


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Misy mpanolotsaina ve ny fitondrana fa toa tsy misy mahafantatra ny fe-potoana hahavitana asa ireo tompon’andraikitra.

 

Nampiseho tamin`ny fomba rehetra izy ireo fa hiasa nandritra izay valo volana izay kanefa toa tsy tadidy intsony ny fampanatenana natao tamin`ny vahoaka. Aiza ho aiza ilay vanim-potoana hoe hisy zavatra hijoro afaka enim-bolana ? Handray ny sivy volana kanefa tsy misy zava-bita. Mandefitra ny resaka sosialim-bahoaka, ny tsy fandriampahalemana dia mijanona serasera. Maro ny lafin-javatra manahirana eto amintsika saingy mbola resaka politika sy fanamafisana ny fahefana no tena laharam-pahamena voalohany ny Fitondrana. Ireo teboka ao anatin` ny velirano dia tsy mbola manomboka araka izay niheverana azy. Misy ihany no misy fanombohana saingy tsy misy ny tohiny toy ny “puce-omby”. Eo ihany koa ny Tanamasoandro izay ilazana hatrany fa efa ho avy ny tetikasa. Manomboka be mpanohitra sy mavaivay be tsikera ny fitondrana. Efa nijoro ny Rodoben`ny mpanohitra mba hisian`ny demokrasia saingy toa arirarira hatrany ny sata mifehy ny mpanohitra. Mipoitra ihany koa ireo olom-pirenena toa an-dRakotomalala Fleury, miezaka mikaroka sy mitady ny marina amin`izao. Toa tsy ny fampandrosoana no imasoan`ny fitondrana fa lasa mifantoka amin`ny valin-kafatra ara-politika. Aiza ny mangarahara ? Izany no antony hijoroan`ny mpanohitra. Ilaina ny firosoana amin`ny fanatanterahana ny lalàna, saingy fotoana izao ametrahana ny zavatra hatao ho an`ny vahoaka. Mihisatra ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon`ny filoha Rajoelina manolona ny tantaram-pirenena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT