Fitondrana tandrametaka

Hitsangana anio governemanta saingy…


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Anio alakamisy 22 aogositra 2024 no hivoaka ny anaran’ireo mpikamban’ny governemanta.

Tsy dia hisy fiovana firy ny mpikambana, fa ny tonta no mety havadibadika, raha ny resaka mivoaka avy any anaty Fanjakana. Raha ho izay, inona no niandrasana ela niteraka fahabangana teo amin’ny rafi-panjakana ? Dia tena 40 andro mahery ve vao mahavita tombana ? Ny toerana banga no tsy maintsy hosoloina, dia ny toeran’ireo depiote lasa Birao maharitra eo anivon’ny Antenimierampirenena toa ny Minisitry ny Atitany teo aloha Atoa Tokely Justin lasa Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Minisitry ny serasera teo aloha Atoa Augustin Andriamananoro izay lasa Filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny Faritanin’Antananarivo, ny Minisitry ny mponina teo aloha Atoa Fomendraza Haingo Elysette izay lasa Filoha lefitra ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa, ny Minisitry ny fampianarana ambony teo aloha Andriamanantena Razafiarison lasa depioten’Ampanihy. Raha ny feo mivoaka sy ny lojika politika, dia mbola haverina ho Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle, antony tsy nampidirana azy ho Mpikamban’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Tsy maintsy hosoloina ihany koa ny Minisitry ny varotra Atoa Edgard Razafindravahy. Mbola baraingo kosa ny mikasika ny depiote Haja Resampa mpandrindra ny Antoko TGV ao Menabe hoe : haverina ho minisitra sa hajanona ao Tsimbazaza? Mbola ho tafaverina ao anaty governemanta ihany koa ve ny Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay tsy lany depiote tao Faratsiho ? Samy miandry izay ho fivoakany, fa ny sary politika sy ny fitarazohana tao anatin’ny 40 andro mahery aloha, dia manamafy fa manana olana ny Fitondrana tarihin’Atoa Andry Rajoelina. Nihazakazahana ny fakana fahefana, nohafainganina ny fiainianana tamin’ny 16 desambra 2023, fa mikatso tanteraka avy eo ny Firenena. Ny governemanta io zary olana io noho ny mety ho tsindry politika samihafa, tsy fananan’olona tena azo antoka,… fa na ilay sekreteram-panjakana miisa 11 nolazaina fa hatsangana hanafainganana ny fampandrosoana aza zara raha nahavaky atody iray.
TSY MISY ANTENAINA
Ny governemanta no hitsangana saingy tsy dia misy antenaina firy. Henjana ny zava-misy na dia ny fampandehanan-draharaha ihany aza satria sahirana ara-bola ny fitondrana. Dia samy miandry ny rehetra hoe : ho voatazona amin’ny isany amin’izao ve ny mpikamban’ny governemanta sa hampitomboina na koa hahena ? Tany amin’ny volana aprily nialohan’ny fanintsiana ny tetibolam-panjakana no nandefasana taratasy hampihena ny tetibolany ny Minisitera tsirairay, ary rehefa nivoaka ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana dia nisy fihenana 3400 miliara Ar eo. Mahavita tetibolana minisitera manodidina ny 8 ka hatramin’ny 10 eo io. Rehefa zohiana amin’ireo, tsy misy antenaina firy amin’ny governemanta sy ny fitondrana ankehitriny. Ny fampanantenana mitosaka, ny maro tsy nahomby mbola ho eo ihany, ny vola hoenti-miasa mihena,… Miha mitotongana hatrany ny fitantanana ny Firenena izay manamafy ny maha tandrametaka ny fitondrana, ka toa ny fandrombahana fahefana hatrany no zava-dehibe fa izay fahombiazana sy vokatra azo tsapaina amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fandrosoan’ny Firenena dia mbola nofy ririnina hatreto !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT