Politique

Fitondrana Rajoelina Tsy vonon-kihavana sy hametraka fitoniana mihitsy…


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Tsy miaro ireo olona gadrain’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny, fa midika zavatra maro ary endriky ny tsy fisiana finiavana hametraka fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena ny fanagadrana ara-politika mandeha ankehitriny.

Mbola hiantsoantso fihavanana sy fitoniana ihany ve ny mpitondra ankehitriny amin'ireny fandetehana an’i Rolly Mercia sy Voahangy Rajaonarimampianina ireny? Ampahany ireo fa maro ireo olona nalentika am-ponja tahaka an-dry Stan’ley Ramarivelo, Berija Ravelomanantsoa,… Rariny ary ekena fa tokony hofoanana ny tsy maty manota, ary tsy miaro ireo olona potehin’ny Fitondrana Rajoelina fa mba misy azo iadian-kevitra ihany ny vesatra hanenjehana an’ireny mitaha ireo olon’ny fitondrana voarohirohy amin’ny afera maloto avo lenta samihafa. Mifangaro hatrany amin’ny raharaha sy fanamelohana ara-politika, raha tarafina amin’ny hoe: nody an-tanindrazana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, nanao fanambarana politika, mety ho kandida filoham-pirenena, dia iny fa mifanindran-dàlana amin’izany ny fanamelohana ara-pitsarana ny vadiny, mba hanaratsiana endrika azy. Raha izao sary miseho izao, raha tsy voalamina ny fifanenjehana ara-politika tonga hatramin’ny famotehana tanteraka fiainan’olona, mety ho zary hanamarika hatrany ny fiainam-pirenena eto ny fifandimbiasana any am-ponja. Ny olana mantsy, izay eo amin’ny fahefana managadra izay mpanohitra azy, izay tonga eo indray mety hanagadra ny mpanagadra teo aloha,… Fomba firesaky ny filoha Rajoelina ny hoe: tsy mila korontana intsony ny firenena, saingy rehefa jerena ny zava-misy, toa ilay fitondrana no manao izay hampitroatra ny olona eo anatrehan’ny endri-javatra toa tsy rariny indraindray. Dia ho toy izany foana ve ny ho endriky ny raharaham-pirenena sy ny fifampitondrana eto? Sanatria hiandry efa malemy sy efa hirodana tanteraka ve vao hiantso fitoniana sy fihavanana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT