Politique

Fitondrana Rajoelina sy ny ekipany Miharihary fa miasa saina be amin’ny ao anaty facebook


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Izay 6% ve?”, “6% imbécile”, “tsy ny “vu” ao anaty Facebook no zava-dehibe”, santionany tamin’ireo fanehoan-kevitra sy fitsikeran’ny

fitondrana Rajoelina sy ny ekipany ny tambazotran-tserasera Facebook efa hatramin’ny taona 2019 ka hatramin’ny 7 jolay izay nivahinianan’ny filohan’ny RMDM France tanaty fandaharan’ny fahitalavitra tsy miankina iray teo io. Tsy nielina akory anefa ny andro fa ny ampitson’izay ihany dia efa nampidera ny kaonty Facebook-ny filoham-pirenena fa faly izy satria tafakatra 1 tapitrisa ny isan’ny mpanaraka azy ao. Nitohy nampidera koa ny mpiaradia amin’ny fitondrana fa nahasarika mpijery maro noho ny fandaharan’ny filohan’ny RMDM France, Fanirsoa Ernaivo, ny fandaharana manokana nataon’ny filoham-pirenena, izay mampametra-panontaniana hoe fifandrifian-javatra ve ny fahatapahan’ny herinaratra tamina faritra maro tamin’iny fotoana nisian’ny fandaharana manokana niarahana tamin’ny filoham-pirenena iny mba hahabetsaka kokoa ny hanaraka izany anaty Facebook? Ny tsikaritra aloha dia miharihary fa manaiky ny lanjan’ny tambazotran-tserasera hatrany kay ity fitondrana ity sy ny ekipany satria dia nanaporofo izany indray ny faran’ny herinandro ny fampahafantarana ny fanavaozana natao tamin’ny rakitsary sy hira fanevan’ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina izay ho raisina eto an-toerana efa afaka 1 volana latsaka sisa izao. Ny filoham-pirenena moa, raha tsiahivina no nampahafantatra hoe tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny CCI Ivato ny volana may, izay hira faneva izay tamin’ny endriny tany am-boalohany izay tena maty tsikeran’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera mafy mihitsy. Ny zavatra mora indrindra nefa moa dia ny mitsikera sy manakihana, hoy hatrany ny fiarovan-tenan’ny filoham-pirenena sy ny ekipany. Nisy nilaza fa manan-talenta ny filoham-pirenena izay nilaza ho niari-tory mihitsy nandray anjara tamin’ny famoronana ny hira. Ny sabotsy teo anefa dia gaga ny rehetra fa nampahafantatra tao anaty tambazotran-tseraserany toy ny fanaony indray ny filoham-pirenena fa nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy “fanindroany” tamin’iny fotoana iny ny hira fanevan’ny lalaon’ny nosy andiany faha 11 izay ho atao eto amintsika amin’ity taona ity. Niaiky ihany izany andriamatoa filoha fa kitoatoa ny vita teo aloha !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT