Fitondrana Rajoelina

Ny Fanjakana miha banky ropitra, ny fampanantenana mitosaka


  • Talata 30 Aprily 2024

Hiroso amin’ny fanintsiana ara-bola ny fitondrana Rajoelina, ary natao hazakazaka narahin-tosika izany satria

 nangatahana ny famitana azy tao anatin’ny 24 ora ny 25 aprily teo hatramin’ny 26 aprily teo. Ahena ny tetibola sy fandaniana lehibe eo anivon'ny ministera tsirairay ho an'ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana taona 2024, izay tsy maintsy ampandalovina eny anivon'ny Parlemanta, araka ny taratasy. Atolotra eo anivon’ny antenimierampirenena izay hivory ara-potoana manomboka ny talata 7 mey, ary maharitra 60 andro izany, araka ny andininy faha-75 amin’ny lalàmpanorenana. Hisy araka izany ny fanapahana ny fanitsiana ny tetibola 2024 ao anatin’io fivorian’ny antenimierampirenena io.Ao anatin’ny fivoriana vanim-potoanan’ny poropagandin’ny fifidianana depiote ny fivoriana ara-potoana ka asa na mialohan’ny latsa-bato na aorian’izany no holaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izay heverina fa ho hazakazaka arahin-tosika. Ahena avokoa ny tetibola hoentin’ny minisitera miasa raha ny ambangovangon’ny taratasy nalefan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola. Endrika maneho aloha ny zava-mitranga fa manana olana ara-bola ny fitondrana Rajoelina na koa misy zavatra hafa tiana hatao tahaka ny “Fonds Souverains” izay tsy hita izay tena niafarany. Sa kosa halefa any amin’ny Sekreteram-panjakana izay 1 iray amin’ny 11 no voatendry tao anatin’ny 130 andro satria tsy misy vola hoenti-manodina azy? Misy ny mpanao famakafakana maneho, fa misy ny tsindrin’ny mpamatsy vola toy ny FMI, ho fanajana ny fepetra hahazoana ny FEC vaovao toy ny fampiharana vidiny tena izy amin’ny solika, herinaratra,… ka misy zavatra tsy maintsy ampandeferina. Andaniny, mirarakopana hatrany ny fampanantenana etsy sy eroa, ka ny eo tsy vita ny eo mitosaka ihany ka aiza ny hoenti-manana? Hovitaina amin’ny inona ireo efa nametrahana vatofototra hatry ny ela ny Autoroute makany Toamasina, ny “voie rapide” any Toamasina, ny autoroute makany Imeritsiatosika, ny famitana tanteraka ny RN13, ny Flys Over eny Anosizato,… kanefa ny fikojakojana làlana tokony handeha ho azy aza tsy vita kanefa mbola hahena ohatra ny tetibolan’ny Minisiteran’ny asa vaventy ?
RATSY ENDRIKA
Ny mpiara-miombon’antoka ara-bola tsy tena antenaina hamoaka volabe mahafa-po mahavita ireo fampanantenana sy ny politika ankampoben’ny Fanjakana ary iny efa nambaran’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina iny ny fahadisoam-panantenana sy tsy fahatokisana noho ny fitantanana tsy mangarahara samihafa. Moa tsy andrakandrana-dava no niseho teto raha tsy hilaza afatsy ny niantsoana ny Rothschild &Co ho mpanolontsaina ara-bola sy hanatsaratsara ny sarin’I Madagasikara ary hisintona mpamatsy vola toy ny fanarenana ny Air Madagascar saingy vao mainka nilentika?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT