Politique

Fitondrana Rajoelina Mitangirika famatsiam-bola any amin’ny COP27…


  • Talata 08 Novambra 2022

Any Egypte, mitarika ny delegasionina Malagasy miatrika ny COP 27 ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina.

Fotoana isan’ny hanamafisany ny efa nambarany tany amin’ny pilopitran’ny Firenena Mikambana ny volana septambra teo, ankoatra ny efa antso nataony tamin’ny COP 26, dia ny fanatanterahana ny dina momba ny fananganana « Tahiry maitso ho an’ny toetr’andro » na « Fonds vert pour le climat ». Mahatratra 100 miliara dolara eo io, ka mitangirika mba tsy hilazana fa mitalaho ny hahazoana izay tokony ho anjarantsika amin’io ny Fitondrana Rajoelina. Nandefa solontena niatrika ny fihaonana savaranonando PRECOP27 any Kinshasa RD Congo ny 3 hatramin’ny 5oktobra, dinika nialohan’ny COP 27 ka tafiditra tamin’izany ny mikasika ny « fond vert ». Mbola nanao atrikasa tetsy amin’ny Carlton ihany koa, nanomana sy namolavola programan’asa nasionaly hoenti-mandresy lahatra hahazoana io vola io dia ny CDN (Contribution Déterminée Nationale). Karazana fitakiana ny karazana onitra hanarenana ny tontolo iainana amin’ireo firenen-dehibe tena mpamokatra entona manery na «gaz à effet de serre» moa ity resaka tahiry maitso ity, ka mitaky izany ireo firenena madinika sy andalam-pandrosoana izay zara manodidina ny 5% amin’ny famoahana entona mangeja no avy aminy, voasokajy ho tsy mpanimba kanefa tena ianjadian’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Anisan’izany i Madagasikara, izay tena mitangirika mafy ny famatsiam-bola, ary matetika ny Filoham-pirenena miresaka sy mangataka ny tokony hamoahana ny vola io. Izy izay raha hiverenana hatrany, dia nanao vava fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola mahazatra, saingy ny ankamaroan’ireo ianteherana amin’ity COP 27 ity dia ireo. Zava-dehibe ny fitakiantsika ny zontsika satria isan’ny mizaka ny mafy i Madagasikara, hatry ny ela no efa lasibatry ny kere ny tany Atsimo ary mbola manampy trotraka izany ny fiovaovan’ny toetr’andro.
POLITIKA HAHAZOANA VOLA FOTSINY ?
Tena manam-piniavana ve anefa i Madagasikara sy ny mpitondra ankehitriny amin’ny resaka fiarovana sy politika momba ny tontolo iainana izay fanohitra amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sa ny hahazo vola fotsiny no tanjona? Nasiana zanaka minisitera misahana ny fandrakofana ala avy eo noravana, ny resaka famotehana ala sy tontolo iainana mitohy ary olom-panjakana aza no voatonontonona amina afera maloto fandripahana ala, ny doro tanety tsy voafehy,… Ny 90% amin’ny tokantrano Malagasy mampiasa arina fandrehitra na «charbon» izay antony isan’ny maharipaka ny ala ihany koa, saingy mbola tsy mipetraka ny politika hialana tsikelikely amin’izany satria ny entona fandrehitra lafo, ny herinaratra lafo ary mbola ny 15% amin’ny Malagasy no misitraka,… Raha miverina amin’ny tetezamita, fotoana isan’ny nihazakazahan’ny fandripahana hazo sarobidy isan’ny mafy tahaka ny andramena, voamboana,… izay isan’ny miaro antsika amin’ny rivodoza. Tsy atao mahagaga raha miha mahery vaika ny fiantraikan’ny loza voajanahary, mikorontana ny tontolo iainana, tsy ampy ny rano.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT