Tsy vao tamin’ny raharaha Boeing 777 lasa any Iran iny no nandrenesana
resaka sy afera hafahafa momba ny fiaramanidina sy ny manodidina azy ny fitondrana Rajoelina fa efa hatrany am-piandohany mihitsy.
MAIKA LOATRA
Vao nahazo fahefana ny fitondrana tetezamita ny taona 2009 dia maika nivarotra ny Air force One II, fiaramanidin’ny Repoblikan’i Madagasikara, Boeing 737-700 .Novidiana 60 tapitrisa dolara dia namidy 24,5 tapitrisa dolara izy ity, tsy fantatra mazava avy eo hoe natao inona marina ny vola.Ny taona 2010 nividy angidimby alouette II sy III efa niasa tamin’ny tafika Belza i Madagasikara mba ho ampiasain’ny tafika malagasy.Betsaka ny olana teknika ka tsy afa-nanidina intsony. Vola very no dikany.
FATIANTOKA BE
Naka Fiaramanidina airbus A340-300 miisa roa avy amin’ny Air France, indray ny fitondrana tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina ny taona 2012 atao vente -location fa hoe ampiasain’ny Air Madagascar ary hampiroboroboana ny fitaterana anabakabaka no sady hampahafantatra an ‘i Madagasikara any ivelany. Fatiantoka anefa no azo 900 000 dolara isam-bolana ny hofan’ny fiaramanidina iray.Nisy fotoana tojo olona ara-teknika sy ara-taratasy ka tsy afa-nanidina ny airbus. Nitondra ny « immatriculation » an’ny Air Atlanta ireo fiaramanidina airbus ireo, mbola tsy maintsy navadika ho Air Madagascar. Etsy ankilan’izay manana réacteur miisa 4, tena mihinana solika be. Lafo ny fampiasana azy mihoatra amin’ny Boeing. Ny niafarany moa dia notakian’ny kaompania Air France volabe i Madagasikara, dia nifandrirotra teny. Namidy tamin’ny Sinoa ireo Airbus ny farany.Ny kaompaniam-pitaterana nasionaly Air Madagascar amin’io mizaka ny tsy eran’ny ainy, bokan-trosa 100 tapitrisa dolara.F’angaha vitan’izay fa mbola nisy ilay Fiaramanidina CASA CN-235 natao ho an’ny tafika, nipoitra ny andron’ny fetim-pirenena, avy eo tsy hita popoka. Hay kay nalain’ny tompony (orinasa Frantsay SOFEMA) fa hoe tsy mahaloa vola ny malagasy , tena nanala baraka.
TENA MISY MPIBIZINA FIARAMANIDINA ?
Ankehitriny moa dia io indray ny raharaha boeing 777 miisa 5 lasa any Iran, natao tohotra fiakarana nahafahany nanidina ny « immatriculation » avy aty Madagasikara. Ireo trangan-javatra samihafa ireo no toa manamafy ny ahiahin’ny maro hoe ary tena misy tambazotra mpanao bizina amin’ny fiaramanidina mihitsy ve izany ao anatin’ity fitondrana Rajoelina ity. Ary ny tena loza dia mampidi-trosa no sady mamotika orinasa ilay izy. Izao firenena goavambe tahaka an’i Madagasikara dia tsy manana fiaramanidina fa manofa aman’olona. Tanjona anefa ny hoe hampitombo ny isan’ireo mpizahantany miditra eto. Verezin’ny Ethiopie izay manana ny Ethiopian Airlines lavitra be mihitsy i Madagasikara, mbola ambakain’i Maurice sy Seychelles ihany koa raha resaka fitaterana anabakabaka no resahana. Ny antony dia satria beloatra ny kitoatoa ara-pitantanana natao amin’io sehatra io nanomboka ny taona 2009 no mankaty, dia potika ilay fihariana ; aferan’andian’olona no manimba ny lazan’ny firenena sy namotika ilay kaompania nasionaly.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.