Politique

Fitondrana Rajoelina Mikasa hanova lalàmpanorenana


  • Talata 30 Jolay 2019

Tsy nisy didim-panjakana nivoaka momba ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna na teo aza ny soso-kevitry ny CENI fa hatao ny 28 oktobra izao izany.

 

 

 

Tsy voahaja ny 90 andro izay midika fa mihemotra ny fifidianana. Raha ny siosion-dresaka mandeha dia te hampanao fitsapan-kevi-bahoaka hanitsiana na hanovana mihitsy ny lalàmpanorenana mafy aloha ny fanjakana, izay vao miditra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Efa saika hanaovana amboletra nampiarahana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka rahateo ny fitsapankevi-bahoaka hanovana ny lalàmpanorenana, saingy nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana noho ny mbola tsy nisian’ny depiote izay mila ny fankatoavan’ny ¾ ny mpikambana avy amin’io andrim-panjakana io sy ny mpikamban’ny antenimierandoholona vao azo tanterahina. Feno ny fepetra fa ny fakana ilay ¾ etsy Anosikely no mety ho adihevitra. Miankina amin’izany no hahafahana manova ny anaran'ny Lehiben’ny faritra ho governoran’ny faritra. Nesorin’ny fanjakana rahateo ireo lehiben’ny faritra, ka tsy misy ny fametrahana izay solony hatramin’izao, ary raha ny lalàna aza dia fidiana izy ireo fa tsy tendrena. Raha ny lafiny ara-bola izay toa misy olana, dia mety kokoa amin’ny fanjakana Rajoelina ny miditra amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka satria io dia miala amin’ny kitapom-bolan’ny SACEM (Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar). Miala ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana kosa ny vola hoenti-manatanteraka ny fifidianana ben’ny tanàna, izay tombanana ho eo amin’ny 55 ka hatramin’ny 57 miliara ariary eo, ka izay no mety mampalaina ny mpitondra satria mety tsy misy vola ao. Raha ny fanazavana efa nentiny tamin’ilay fitsapan-kevi-bahoaka saika hatao amboletra, dia tsy mila 90 andro toy ny fifidianana olom-boafidy (Mandat électif) izy io. Tsy maintsy mila izany ny fifidianana ben’ny tanàna, ary tsy azo atao amin’ny fahavaratra raha hajaina ny lalàna, izany hoe amin’ny 2020 indray. Tsiahivina fa ny fanjakana ankehitriny no nametraka ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV, izay adihevitra be teto, kanefa nolazaina fa tena mety sy efa nakana hevitra samihafa. Tsy mbola nosedraina tamin’io anefa, dia efa nikasa ny hanova sy mety hanohy ny tanjona. Tsy misy fahamatorana fa ny kajy politika no mibaiko.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT