Politique

Fitondrana Rajoelina Miharihary eny foana ny tsy fahaiza-mitantana


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Raha hoe safidy sy paikady politika dia mety azo ekena ihany hoe : tena paikady, fa ny zava-misy sy hita miharihary aloha dia tsy fahaizana eo amin’ny Fitondrana Rajoelina.

Raha miditra amin’ny lafiny toekarena, efa manomboka mibaribary fa tena tsy manana vina lavitra fa politikan’ny ankisambotsambotra toy ny tohana etsy sy eroa, tena mamono ny toekarena. Tsy manana progarama mari-pototra sy tena mipetrapetraka ara-panatanterahana, fa tena mandehandeha ho azy arakaraka ny zava-misy. Ny volam-panjakana ratsy tantana, ny seha-pihariana maro mikoroso fahana,… Raha eo amin’ny sosialy, tapi-maso no voambolana mahalaza azy indrindra angamba, mitovitovy amin’izay ihany koa ny resaka fanorenana fotodrafitrasa. Ny sarety no mandeha alohan’ny omby, manao zavatra vao mandinika. Ny safidy amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany, dia efa io iaraha-mahita misababaka, tsy fantatra hoe ahoana io, hany ka lasa tsy ambony tsy ambany. Fa ity nitranga farany ity no tena nahitana fa tsy fahaiza-mandamina sy tsy fahaiza-mitantana. Tahaka ny fifidianana ihany ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy, raha ny tokony ho hita. Vao vita ny lalao iray dia efa fantatra hoe aiza indray ny nosy hampiantrano azy. Tany amin’ny nosy Maorisy ny andiany faha-10, efatra taona lasa, dia voafidy i Madagasikara hampiantrano ny andiany faha-11. Tena nisy karazany ny zavatra natsangana sy naorina teto, fa nahoana no adino ilay fotodrafitrasa hanatanterahana ny lalaon’ny nosy ? Poakaty tanteraka ny nilazana fa eny amin’ny Tanamasoandro Imeritsiatosika ny lalao, poakaty ny makety naderadera vahhoaka,… Ny atleta malagasy anefa dia manana ny maha izy azy, ary raha hampiantrano ny JIOI izany dia efa ambony be ny herijika handrombahana ny fandresena, fa izao toa sosoa voatapo-drano,... Taranja 12 nahintsana, hira faneva hafahafa toa sahafa, tsikaritra hoy ny maro fa zavatra notefena maimaika ilay izy. Fahafaham-baraka tanteraka, miharihary ny kitoatoa, hany ka ny ao anatin’ny tononkira miteny hoe : masoandro miposaka avy any atsinanana, ny sary aseho masoandro milentika any Morondava faritra Andrefan’i Madagasikara. Nibaribary sy hita maso ny tsy fahaiza-mitantana, na amin’ny endrika ivelany izany na amin’ny votoatiny. Tsy misy fahagagana amin’ny fanatanjahantena fa tsy maintsy fanomanana matotra. Efa tsy resahina intsony ny tsy fisiana na fahataran’ny fampivondronana ireo atleta, ny tsy fahampian’ny fitaovana. Tahaka ireny hoe tsy misy minisitera mpiahy ireny. Ity no lalaon’ny Nosy ratsy fanomanana sy petatoko indrindra, raha jerena ny zava-misy. Mbola mampiady hevitra ny lokon’ny sary famantarana, toa nokajiana hifanaraka amin’ny loko politikan’ny fitondrana, ary manakaiky ny sainan’ireo izay mivoy ny fanalalahana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana ny loko nampiasana,… Tena izao ve ilay hoe : manara-penitra fa izay atao toa mampiady hevitra sy lasa resabe hatrany izay atao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT