Politique

Fitondrana Rajoelina Mbola diplaomasia misabaka hatrany no mihatra


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika I Madagasikara sy Russie amin’izao fotoana izaony firenena,

ka ao anatin’izany no hanamafisana ny firahalahiana, raha ny fampitam-baovao niraisin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Yvette Sylla sy ny Ambasadaoro Rosianina Andrey Vladimirovich Andreev. Nanomboka ny 29 septambra 1972 mboa tamin’ny andron’ny Firaisana Sovietika ny fifandraisana sy fifamatorana ara-diplaomatika teo amin’ny tany roa tonta. Manamafy ny fifamatorany ara-piaraha-miasa ary hivelatra amin’ny sehatra maro kokoa i Madagasikara sy Rosia, raha ny voalazan’io serasera, izay tsy dia fahita firy io. Sehatra ara-pampandrosoana maro noho izany no nolazaina fa hojerena akaiky. Nambara fa resy lahatra amin’ny maha zava-dehibe ny fanohizana ny fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa ahafahana miroso lalina kokoa mivelatra sy misokatra amin’ny tombotsoa iraisana. Fanamby ny hiaraha-mijery ny fanamby ara-toekarena mifandraika amin’ny krizy eran-tany toy ny lafiny fahasalamana, tontolo iainana, politika. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa: fambolena, fahasalamana, fandriampahalemana, fanabeazana. Nolazaina ihany koa fa mankasitraka ny fanohizan’I Rosia ny fanohanana ny dingana fisandratana sy fampandrosoana an’I Madagasikara. Voizina sy hamafisina ny tsy fiandanian’I Madagasikara noho ny ambara fa finiavana hiara-hiasa amin’ny rehetra na eo aza ny ady mampifanolana an’i Russie sy Ukraine. Raha hiverenena anefa, tamin’ny fifidianana teo anivon’ny Firenena Mikambana ny 23 febroary 2023 dia isan’ireo firenena 141 niray feo tamin’i Etazonia, Allemagne, Japon,… nifidy ny fehin-kevitra mitaky ny fialan’iny Rosianina any Ukraine Madagasikara. Misabaka sy te hilalao ilay tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny etsy sy eroa noho izany ny Mpitondra Malagasy, saingy rehefa zohiana dia toa tratry ny tsy azo hanoharana ihany indraindray, raha raisina amin’io nisafidy ny hiray feo amin’ny Tandrefana tamin’ny febroary io, fa tsy niziriziry tamin’ilay tsy miandany. Ny any Eoropa manamafy ny famatsiana fitaovam-piadiana mahery vaika an’I Ukraine an’I Russie, izay midika fa mihamafy ny ady. I Madagasikasikara miezaka maneho fa sady naman’ny atsy no naman’ny aroa. Vao andro vitsy no nahazo toky tamin’ny Lafrantsa amin’ny fanohanana ny fifidianana ny Fitondrana, andro vitsy taorian’io manao serasera fa tena mpirahalahy mianala amin’I Rosia. Tena milalao politika sy diplaomasia isika fa ny irariana dia tsy ho votso-droa na sanatria ho lasa kianjan’ady eto, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT