FITONDRANA RAJOELINA

Izay vao tonga saina hoe mila miasa vao mandroso


  • Talata 03 Septambra 2024

Mety tsy tsikaritry ny maro ny resaka sy famelabelaran-kevitra nataon'ny filoha Andry Rajoelina ny 23 aogositra 2024

teny Iavoloha, taorian'ny fijoroan'ilay governemanta saro-piterahana kanefa tsara ho fantatra ihany.
PETRAK'OLANA
Noresahany teo ny maha zava-dehibe ny maha olona amin'ny fampandrosoana ny firenena ka tafiditra ao anatin'izany ny fanomezan-danja ny fanabeazana, fahasalamana, sosialy, fanajana ny zon'olombelona. Nasiany tsindrim-peo manokana ihany koa ny mahakasika ny fiovam-penitry ny toekarena amin'ny alalan'ny indostria ka tsy maintsy asa ezahana mafy ao anatin'izany ny fananganana indostria hanodinana ireo vokatra misy eto an-toerana , ny fanofanana arak'asa ary ny famoronana asa. Hoy i Andry Rajoelina, nataony tamin'ny fiteny frantsay : " chaque citoyen doit être utile au sein de sa famille, au sein de la communauté, au sein du pays" Izany hoe mila miasa, manana zavatra atao ivelomany ny isam-batan'olona mba tsy ho vesatra ho an'ny fiarahamonina ary hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampandrosoana ny firenena. Rehefa mahantra ny olona, mahantra ny fianakaviana, mahantra ny firenena, hoy i Andry Rajoelina.
MORAMORA
Marina izany rehetra izany fa ny mahagaga kely fotsiny dia ny hoe fa naninona no notezaina tamina fomba ratsy omena maimaimpoana sy ny kolontsain'ny moramora raisina ny vahoaka ? Zarazaraina fanomezana isaky ny mihetsika, ka iny no mamolavola tsikelikely ny sainy mba hiandry hotolorana foana. 15 taona aty aorian'ny nandraisany voalohany ny fahefana ve vao tonga saina sy miseho ho manome lesona i Andry Rajoelina hoe mila miasa izay vao mandroso ?
MIALA BALA
Fa ity no tena nanaitra hoe soa dia efa very tadidy aza i Prezda Rajoelina fa dia variana miteny fotsiny. Hoy mantsy ny fanazavany manoloana ny olana amin'ny famatsian-dranon'ny Jirama : tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany no napetraka ny fantsona, tsy nisy nanamboatra tsy nisy fanavaozana efa no orinasa eau et éléctricité de Madagascar no nanao izany. Fa izy nitantana ny tetezamita (2009-2014) be tsy nahalala an'izany. Mbola niverina teo amin'ny fahefana izy ny faona 2019 nahavita 5 taona. Ka nahoana no tsy nanezaka mafy nanamboatra fa aty amin'ny 2024 vao mitanisa ny zava-nisy talohan'ny 1960 ? Miala bala no dikan'izany ary manana ilay toetra tia manilika ny tay mety foana any amin'ny hafa. Tsy toetrana mpitantana mahira-tsaina mihitsy izany koa tsy mahagaga raha maizina ny ho avin'i Madagasikara.
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT