Namoaka fanentanana ihany koa omaly ny
eo anivon’ny fanohanana ny fitondràna amin’izao fotoana izao, izany hoe, manohana ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny marimarina kokoa. Isan’ny fanentanana naely moa, raha ny angom-baovao voaray, ny hoe «Tsy mila «coup d’état», miaro ny demokrasia!» na koa hoe «’Ndao hiaro ny ara-dalàna, miaro ny demokrasia!». Raha ny zava-nisy tao anatin’izay 6 andro lasa izay nefa aloha dia heverina fa hisalasalàna ny hiteny hoe hijoro hiaro demokrasia hafahafa ihany izany ny mpanohana fitondràna. Hatramin’ny zaza mbola milalao omaly no naratra mafy ny tavany noho ny fanipazana baomba avy amin’ireo mpitandro filaminana. Mampametra-panontaniana hoe mbola azo lazaina ho baomba mandatsa-dranomaso fotsiny ve ireny? Ny 29 septambra teo no efa tsikaritra fa maro amin’ireo lazaina fa entona na baomba mandatsa-dranomaso ireo no efa lany daty tamin’ny taon-dasa, izany hoe, zava-doza tanteraka ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Hatramin’ny mpanao gazety notorahana an’izany rehetra izany. Azon’ny maro sary ihany tetsy ankilan’izay fa misy bala tena mahafaty no ampiasain’ireo lazaina sasany hoe mpitandro filaminana. Raha ny tati-baovao voaray hatramin’ny avy amin’ireo haino aman-jery any ivelany moa izany dia efa nahatratra hatrany amin’ny 22 isa any mihitsy ireo namoy ny ainy tao anatin’izay 6 andro izay fotsiny ary nisy zazakely vao teraka tao amina hopitaly iray mihitsy. Demokrasia hafahafa toy izany ve izany no hijoroan’ireo mbola milaza azy ho mpanohana izao fitondràna ankehitriny izao ho tohanana? Lasa mitovy ve izany ny antsoina hoe jadona sy demokrasia ho an’ireo mpanohana an’ity fitondràna ity? Fanontaniana isan’ny apetraky ny mpanara-baovao maro izany amin’izao fotoana izao ankoatran’ny hoe mankato na mbola tia mihitsy izany atao hoe delestazy sy tsy fisian-drano izany ve izany ny mpanohana izao fitondràna ankehitriny izao?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.