Politique

Fitondrana Rajoelina Hafa ny lazain’ny vava, hafa ny atao


  • Talata 15 Novambra 2022

Hanova ny tantara isika, hoy ny filoham-pirenena ankehitriny izay, nefa izay manadino ny tantarany dia voahozona mbola hiaina izany, hoy ny filozofa, Karl Marx.

Efa nahitsin’ny mpahaitantara malagasy, Denis Alexandre Lahiniriko, moa fa tsy fanova ny tantara. Tsy mahagaga, araka izany, raha hafa hatrany ny lazain’ny vavan’izao fitondrana Rajoelina izao ary hafa ny hataony. Nireharehan’ny mpanaradia ny filoham-pirenena mihitsy omaly ny teny fanamelohana ireo nambarany fa mety ho ambadiky ny fifofoana ny ain’ny ben’ny tananan’Antananarivo manao hoe “toetra mifanohitra amin’ny kolontsaina malagasy sy ny soatoavina ny herisetra. Manameloka izany ny tenako ary miarahaba ny ben’ny tananan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, nieren-doza. Mankahery ihany koa ny fianakaviany ary miantso ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpanao fanadihadiana hikaroka izay tompon’antoka tamin’izao fikasana ratsy izao. Malagasy iray isika, iray ra, iray aina, mandala ny fihavanana.” Ohatry ny tsy mampino, hoy ny mpanara-baovao, ny maheno hoe fitondrana nahavita nanongam-panjakana ny taona 2009 no mamoaka izany teny rehetra izany. Mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy ve izany ireny zava-nisy ny taona 2009 ireny? Mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy koa ve ny filanjana vatapaty nisy soratra hoe “veloma Rajao” ny taona 2018 na ny fanerena azy hiala na hanaiky praiminisitra sy governemantan’ny marimaritra iraisana? Raha tena olona tsy manaiky herisetra tsy manao an’ireny, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Rehefa aina mpitondra na manam-pahefana ve izany no misy mifofo dia tsy azo ekena fa rehefa aina malagasy maro an’isa toy ny tany Ikongo sy Antsakabary na Miandrivazo dia hoe efa mandeha ny famotorana? Santionany amin’ireo fanontaniana mipetraka izany rehetra izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT