Fitondrana Rajoelina

Fampandrosoana tsy vita 15 taona, tsy ho vita intsony !


  • Talata 07 Janoary 2025

Fampandrosoana tsy vita tao anatin’izay 15 taona izay, mazava ho azy, fa tsy ho vita intsony. Izao lany

nampahantrana vahoaka izao fotsiny izany ny taona 2009 no ho nankaty, raha ny fehin’ny tombana mikasika ity fitondràna ity hatreto no resahina. Ny tranom-pody no vitan’ny vava, hoy ny fitenenana. Tsy mbola nisy fotodrafitrasa tsara, mafy, maharitra vitan’izany vava izany tokoa. Iaraha-mahita amin’ny faritra samihafa eto amin’ny firenena ireny ny hopitaly sy tranom-panjakàna samihafa lazaina fa manara-penitra nefa mirodana am-pitoerana fotsiny eo. Ny EPP sasany moa mba mbola voatazona aminy ihany ny teny hoe «manaraka» saingy tsy fenitra akory, araka ilay nampanantenaina, no nanaraka azy fa fofona. Lasa EPP manara-pofona. Haino aman-jery vahiny mihitsy koa avy eo amin’izany no mampiranty ilay zava-misy ho hitan’izao tontolo izao dia vao mainka ianao mbola mahatsapa-tena manana rà sy fo mitempo malagasy menatra sy manongo tena. Io mitohy io ao anatin’izany rehetra izany ny fanondranana harena voajanahary toy ny gidro sy sokatra an-tsokosoko, mbamin’ny harem-pirenena hafa, indrindra, ny volamena. Ny tsy fandriampahalemana, ny olana sosialy samihafa, ny olan’ny JIRAMA sy ny toekarena ankapobeny efa tsy lazaina intsony fa taorian’ny resaka ela hoe «sinoa sy karàna no tena mameno tanàna», araka ilay hira tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000 izany dia io mampanahy ho lasan’ny arabo io koa ny tany hafa toa an’i Mitsio sy Sakatia. Manoloana izany rehetra izany, na mamoaka tombana aza ny tambazotra eoropeanina toy ny Watson fa firenena mahantra eto ambonin’ny tany i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Na mamoaka tombana koa aza ny FMI sy banky iraisampirenena fa isan’ireo firenena mahantra indrindra ity nosy lehibe noho i Lafrantsa ity dia mbola manizingizina hatrany ny filoham-pirenena fa mizotra any amin’ny fahombiazana ny lalan-kizorany hitondràny ny firenena ankehitriny. Mbola mety hihaino vahaolana ihany ve izao fitondràna izao?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT