Fitondrana Rajoelina

Efa naloan'ny vahoakan'Antananarivo tanteraka


  • Zoma 17 Novambra 2023

Efa lasa marina ny zavatra taloha. Avy mpandraharaha nosokajiana fa namiratra, lany ho ben'ny tanàna (2007),

avy eo lasa filohan'ny tetezamita (2009) mialohan'ny naha filoham-pirenena (2018) azy i Andry Rajoelina. Dia tena nahoraka tamin'izany fotoana hoe aleo mba ho entin'ny boaikely, ny baolina.
TAPITRA HATREO NY MAZIA MAZIA
16 taona aty aoriana, mifidy 1 amin'ny 5 no tonga nandrotsa-bato raha atao tsotsotra ny salan'isa ho an'Antananarivo renivohitra sy ireo kaominina manodidina azy, eto anefa no be mponina indrindra, izany hoe be mpifidy indrindra manerana an'i Madagasikara. Naloan'ny vahoakan'Antananarivo i Rajoelina, tapitra hatreo ny mazia mazia sy fanova-maso.Tsy arakarak'ireo ambara fa vahoaka nameno arabe nanao carnaval sy nameno ny Coliseum ireo tonga nifidy omaly. Mazava ho azy fa manana ny mpifidy azy foana izy saingy tena faran'izay latsaka ambany, fa tsy arakarak'ilay fihetsiketsehana sy fanamby natao.Zavatra lojika ihany koa izany ho ana Filoha nitantana ny firenena ary tsy dia nahitana vokatra tsara. Nitombo 2 tapitrisa ireo malagasy mahantra tato anatin'ny 5 taona farany ary ao anatin'ireo firenena 5 mahantra fadiranovana eto ambonin'ny tany i Madagasikara. Efa fambara goavana ho an-dRajoelina iny fahavitsian'ny mpifidy iny, hanery azy haniva famindra sy hanaiky fifampiresahana amin'ny tsy mitovy hevitra aminy, raha tsy hoe efa zavatra hafa mihitsy angamba no tadiaviny.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT