Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Tsy vitsy tokoa ireo mpandinika efa nilaza fa laharam-pahamehana ambonin’ny laharam-pahamehana io resaka famokarana io. Eo ihany ny hoe vahoaka noana tsy azo antenaina hitondra fampandrosoana fa tsy ho voky koa anefa izy raha tsy misy ny vokatra ary tsy afa-mamokatra raha noana. Tsy haka ny taninareo aho na iray metatra aza, hoy ny filoham-pirenena tamin’ny nanao fampielezan-kevitra, fa hanome tany anareo aza no ataoko. Dia ahoana izany ireto tanin’olona hitokonany etsy sy eroa hoe alain’ny fanjakana ireto? Tsy vitan’ny tany tsotra fotsiny aza ny sasany fa tanimbary mihitsy. Vary no foto-tsakafon’ny malagasy ka aiza ary ny politika famokarana, raha tsy hiresaka io lafiny io fotsiny. Politikam-pamokarana ve sa politikam-panafarana anefa no tena ireharehan’ity fitondrana ity? Rahoviana ihany vao hifanaraka ny ataon’ny mpitondra ankehitriny sy ny zavatra lazainy ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.