Fitondrana petatoko, firenena anaty hamehana

4 volana banga ny minisitra, 1 volana tsy misy governemanta…


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Tsy mbola tafatsangana ny herinandro teo ny governemanta na nisy aza ny fanolorana ny Programa

ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE, izay efa adihevitra be ny programam-panatanterahana na ny PMO izay tokony ho nolanian’ny governemanta ara-dalàna. Mbola nisafidy ny hamela ny governemanta ho banga ny Filoha, fa naleony nakany Rwanda, tahaka ny efa nataony tamin’ny faramparan’ny volana jolay niazo an’i Lafrantsa sy Afrika Andrefana. Andaniny, efa iray volana sy roa andro anio no nametra-pialana ny governemanta, ary iray volana katroka anio no nanendrena ny Praiminisitra izay hany tokana ara-dalàna. Efa tany amin’ny 17 aprily 2024 ihany koa aza no banga ny toeran’ny Minisitra miisa 7 satria natao kandida solombavambahoaka, ka nosarontsaronana tamin’ny minisitra mpisolo toerana efa nametra-pialana. Tao anatin’ny 4 volana izany no efa tsy tomombana intsony ny governemanta, saingy tsy maharototra firy an’ilay Filoha sy ny Praiminisitra.
HAMEHANA ARA-DRAFITRA, ARA-BOLA, ARA-POLITIKA, ARA-TSOSIALY,…
Miharihary fa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fitantanana Firenena, ary tena mandringa tanteraka ny andrim-panjakana misy eto amin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny hamehana ara-pitantanana, ara-politika, ara-toekerana, ara-bola i Madagasikara. Iny efa nambaran’ny Filankevi-panjakana io fa tafiditra ao anatin’ny tranga tsy azo hanoharana mikasika ny fifidianana ny tsy mbola fitsanganan’ny governemanta, izay manamafy fa governemanta tsy ara-dalàna sy tsy mahatapak’ahitra izany no misy eto, saingy mbola nahavita nampanao sonia mamatotra ny Firenena an’ireo Minisitra tsy ara-dalàna nandritra ny dia tany Angola. Tafiditra tanteraka ao anaty hamehana ara-pitantanana sy ara-drafitra satria ny governemanta tsy tafatsangana ka asa hoe : tsy manana olona ve ilay fitondrana sa henjana ny tsindry samihafa ? Misy amin’ireo Minisiteran’ny Fiandrianam-pirenena aza no banga ny toerana, dia ny eo anivon’ny atitany. Hametraka Sekretariam-panjakana 11 eo ambany fitarihan’ny filoham-pirenena nambara hanafainganana ny asa fampandrosoana no noventesina kinanjo iray no tafapetraka, ary ny governemanta aza banga tsy nampiana solony, efa nametra-pialana fa tsy mety voatendry ara-dalàna ny mpikambana vaovao. Tratry ny hamehana ara-bola satria ny tetibolam-panjakana 2024 nokantsanana 3400 miliara Ar eo, mbola mandeha ny tsindry samihafan’ny Banky Iraisam-pirenena toy ny vidin-tsolika tsy maintsy hakarina, ny fepetra mikasika ny Jirama,…
VAHAOLANA «PARACETAMOL »…
Ny hamehana ara-tsosialy sy ara-toekerana mihamafy, ka sarontsaronana amin’ny fanohanana fitseran’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ilay vola 250 000Ar ho an’ny tokantrano 8 hetsy eo, izay tsy dia antenaina firy hitondra vahaolana fa tena vahaolana « paracétamol » manala fanaintainana andro vitsy, fa tsy tena manaisotra ny aretin’ny Firenena. Efa nisy ny Vatsin’ankohonana, Vatsy Tsinjo, Tosika Fameno,… fa tena nampihena ny fahantrana ve ? Io anefa no ireharehan’ny mpitondra ho fanampiany ny Malagasy. Tsy misy politikam-panarenana ara-toekerana mazava, tsy misy famoronana harena, fa milalao saim-bahoaka amin’ny vina manidintsidina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT