Fitondrana niorina tanaty fankahalàna

Tsy mety mahavita mitondra fampandrosoana


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Fanehoan-kevitra heno matetika mahakasika an’i Madagasikara ny hoe tsy mety

maka lesona amin’ny tantara isika. Nifamaliana teto ny valifaty politika. Naongan’ny fitondràna vao hiditra ny taona 2002, Marc Ravalomanana, ny fitondràn’ny amiraly Didier Ratsiraka. Lojikan’izay ny taona 2009 dia nanampy ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany, Andry Rajoelina, ity farany hanongana indray ny fitondràna Ravalomanana. Ny amiraly mihitsy moa no nivaky izany tamina haino aman-jery tsy miankina iray tamin’ny fotoan’androny. Na dia nilaza ny tenany ho nampirisihin’ny frantsay aza izy dia sarotra ny tsy hino hoe mbola nisy likiliky na otrikady politika tavela tao satria nisy fananan’ilay voahongana potika sy rava na may ihany koa. Io moa izany 16 taona izao no naharetan’ny fifanandrinana politika Rajoelina – Ravalomanana, izay malaza amin’ny resaka «deal» na fifanarahana miafina samihafa kanefa toy ny efa nambara teo ihany dia sarotra ny tsy hino hoe mbola misy likiliky politika miotrika ao ho an’ny firehana roa tonta. Mety eo amin’ireo samy mpanaradia io fa tsy voatery ho eo amin’ireo filoham-pirenena teo aloha sy ankehitriny voalaza ireo. Hatramin’izao mbola mivoy amin’ny firehana roa tonta ny fifampiantsoana hoe «foza» sy «resy lava». Heverina fa tsy hiteraka fiarahamonina tony mihitsy izany, indrindra hoe politika no resaka. Ny an’ity fitondràna ity moa izany ankehitriny dia miampy indray ny olana amin’ireto «akama taloha» nivadika tsy ho mpankato azy intsony ireto ary dia io ifandimbiasany sahiranina amin’ny lafiny maro na ampidiriny am-ponja io mihitsy. Tsy iverenana intsony ny nahazo an-dry Mbola Rajaonah, Rolly Mercia, Berija Ravelomanantsoa, Mahery Lanto Manandafy sy ny hafa tsy voatanisa. Tao anatin’ny fotoam-pifidianana teo dia ireny niaraha-nahita ireny koa ny nahazo ny mpandraharaha Andry Raobelina sy ny fanatsaràny ny Plaza Ampefiloha. Tsy nisy fihatsaràn’ny firenena nentin’izany rehetra izany anefa fa dia izao isika faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany izao. Voaporofon’ny tantara hatramin’izao, araka izany, fa tsy mety mahavita mitondra fampandrosoana ny fitondràna niorina tanaty fankahalàna fa vao mainka aza mitondra fihemorana hatrany ho an’ny firenena.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT