Fitondrana mikatso

Mamofompofona fisokafana Tsikaritra ho miantso fisokafana na «ouverture» avokoa tao ho ao ny herivelona


  • Talata 13 Aogositra 2024

rehetra misy eto amin’ny firenena, na politika io na sendikalista na sehatra maro samihafa,

raha ny mikasika ny tokony ho firafitry ny governemanta Ntsay Christian tena saro-piterahana ambonin’ny saro-piterahana ity no resahina. Mamofompofona fisokafana tokoa ity fitondrana mikatso, araka ny fijery azy ivelany ity, raha ny taratr’ireo mpamakafaka sy herivelona maro nambara teo aloha. Ny fanoherana moa ireny nanangam-bovona ny faran’ny herinandro teo fa tsy misy ho antenain’izy ireo amin’izao fitondrana izao. Hanafaingana tolona isika, hoy izy ireo. Handrombaka fahefana, hoy ny sasany. Tsy hiditra ao anatin’ny governemanta vaovao indray ve izany ny fanoherana? Efa maro rahateo koa izao ny masona mpanara-baovao mijery hoe iza no hilingilingy hianika ny seza atolotr’izao fitondrana izao azy voalohany eo? Ho afa-baraka avy hatrany sy ho ataon’ny olompirenena tsakin’adihevitra any anaty tambazotran-tserasera indray raha toa ka hisy tsinona izany. Mazava ho azy fa tsy maintsy ahita fanazavana indray mikasika ny antony nidirana tao anatin’izany, tahaka izay niseho tamin’ny fotoana nandaniana 100% ny filohan’ny antenimieram-pirenena Tokely Justin ihany moa saingy tsy maintsy ho tantara hipetraka izany rehetra izany. Mandra-piandry aloha, dia mitombina foana hatreto ny fanontaniana napetraky ry zareo sendikalista izay hoe dia tena sarotra be tokoa ve izany ny mitady olona miisa 30 fara-faha betsany ho atao mandrafitra izany antsoina hoe governemanta malagasy izany? Samy miandry ny rehetra hoe ahoana no hamalian’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra izany fanontaniana toa tsotra nefa manahirana ny sain-drizareo izany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT