Fitondrana mahana sy zatra manongana

Izay mihetsika lazaina hanakorontana avokoa…


  • Alarobia 24 Septambra 2025

Toy ireo olona ambony samihafa, dia ny Minisitry ny

serasera sady mpitondra tenin’ny governemanta indray no niditra an-tsehatra amin’ny fandotoana ny fikasana hanao hetsika fanehoan-kevitra eny Ambohijatovo rahampitso. Nilaza izy omaly fa tsy mendrika ho an’i Madagasikara ny korontana. « Tsy vahaolana ny korontana satria na ny eny amin’ny manodidina ny toerana hidinana an-dalambe izany aza maro ny mivelona eny. Avelao izy ireo hiasa milamina. Ny seham-piharian’ireo maro an’isa na eto an-drenivohitra na any amin’ny Faritra rehetra no simba amin’izany », hoy ity Minisitra ity. Hain’ny mpitondra ny miresaka fihariana sy fiveloman’ny vahoaka rehefa ny tombotsoa politikany, fa jamba sy marenina manoloana ny antso avo sy fanairana noho ny fahapotehana ara-toekarena maro ateraky ny delestazy. « Ny Jirama dia antsoina hatrany hamaha faran’izay haingana ny olana fa mitaraina tokoa ny vahoaka. Ny vahaolana maharitra dia mitaky fotoana. Eny fa na ny tena koa aza miara-miaina ny zava-misy. Tsy vahaolana izany korontana izany. Sao lahy fanararaotana kajikajy politika ny ao ambadik’izao. Matoky hatrany ny fahendren’ny Malagasy », hoy hatrany ity Minisitra ity. Izay miteny sy mihetsika lazaina fa mpanakorontana, mahana tsy henjehina ny Fitondrana Rajoelina satria efa zatra manongam-panjakana sy manakorontana, raha tarafina ny tamin’ny 2009 nisiana famotehana sy fandrobana fananam-panjakana sy an’olon-tsotra, ny tamin’ny 2018 nilanjana vatam-paty teny Analakely,… hany ka vao misy mihetsika sy miteny dia lazaina fa hanakorontana. Ny filazana fa miasa ny Fanjakana ve midika fa tsy azo atao ny mivory sy mamory vahoaka hanehoana fa misy ny zavatra marary sy tsy zaka intsony ? Nolazaina fa manao ny ezaka rehetra Andry Rajoelina hampandrosoana an’i Madagasikara, ka asa hoe : fampandrosoana makany aoriana ve ? Raha tarafina amin’ny tondro samihafa mantsy, fihemorana : kolikoly, toekarena, demokrasia,… 7 taona teo ankoatry ny tetezamita tsy hita izay tena vahaolana azo tsapain-tanana fa vao mainka mihemotra, lainga sy fitaka ary fampanantenana poakaty ranolava no nandeha raha ny resaka angovo sy herinaratra,… ka efa zary laza tsianjery maimbo ilay filazana fa miasa, efa mamaha olana, mila fotoana, mila faharetana,... Fiarovan-tseza no betsaka, tsy matoky tena, matahotra ny hiongana, ka izay rehetra mihetsika sokajiana ho fanonganana avokoa !?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT